Webradio

FOTOAMPIALAN-TSASATRA : Miakatra avokoa ny vidin-javatra eto Mahajanga

Miakatra ny vidin’ny haza andranomasina. Mahatratra 50 000 Ariary ny kilaon’ny ’camarons’ sy langoustes. 30 000Ariary kosa ny kilaon’ny makamba. 10 000Ariary ka hatramin’ny 4 000Ariary ny kilaon’ny filao.  23 août 2019

Tsy ny hazan-dranomasina ihany anefa fa ny zavatra rehetra sia miakatra avokoa. Ny hofan’ny elo eny amin’ny torapasi-dranomasina izay 3 000Ariary amin’ny andavanandro dia tafakatra 5 000Ariary amin’izao. Ny paillote misy seza izay 10 000Ariary dia efa misy manombana 15 000Ariary. Ny sasany mitazona vidiny ihany fa raha araka ny fotoana ipetrahan’ny olona eo ka, na iray andro maninjitra aza teo aloha dia adiny iray an kehitriny dia efa mandroaka ireo mpanofa eo ireo mpampanofa. 

Mitaraina, araka izany, ireo mpitsangatsangana na ny eto an-tanàna na ireo mpivahiny satria dia efa lasa fananaraotana ny an’ny mpivarotra sasany. Misy dia misy tokoa anefa ireo mihazona ny vidin-javatra andavanandro fa manenjika isa fotsiny tahaka ireo mpivarotra brochettes. Mbola 300Ariary ny brochette iray ankehitriny. 200Ariary kosa ny boantamo sy ny pakopako. Ny vidin’ny hena eny amin’ny bazary koa tsy dia nahitana fiakarana, fa mbola mijanona 10 000Ariary ka hatramin’ny 13 000Ariary ny kilaon’ny henaomby mifangaro. 20 000Ariary kosa ny filet. 10 000Ariary ka hatramin’ny 12 000Ariary ny kilaon’ny henan- kisoa. 

Ny legioma no niakatra ka 3 000Ariary ny kilaon’ny tomaty, 4 000Ariary ny kilaon’ny tongolo. 2400Ariary kosa ny kilaon’ny ovy. 3 000Ariary ny kilaon’ny karôty. Ao bazary Marolaka no tena mora. Misy isafidianana kokoa kosa ao amin’ny bazary Mahabibo saingy betsaka ny mpivarotra no mangalatra lanja. Ao bazary be kosa no tena atokisana na dia lafolafo aza miohatra min’ireo bazary hafa. Ankoatra ireo dia mbola ao koa ny bazary Tsaramandroso sy ny bazary Sotema ary ny bazary Tsararano. Betsaka ihany koa ireo mpivarotra mandehandeha na mpanao dalaly, ary amin’ny maraina izy ireo no tena miasa. Mahita entana tsara izy ireo saingy lafolafo kosa. 

Mila mitandrina ihany koa amin’ny lanja satria raha variana dia mety latsaka hatramin’ny 250g ny entana rehefa tonga an-trano. Tsy mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra fotsiny kosa izany fa mandava-taona. Ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro kosa dia tsy miova fa mbola 400Ariary ka hatramin’ny 600Ariary ny vaingantsavony. 200Ariary ka hatramin’ny 400Ariary koa ny vovony. Samihafa kosa anefa ny vidin-javatra araka ny fokontany satria any Amborovy no tena lafo entana. 9 000Ariary ny litary ny menaka izay 5 000Ariary na 6 000Ariary aty an-tanàna ka tsara ihany ny mividy an-tanàna alohan’ny mandeha any indrindra ho an’ireo mpiala sasatra ka mba izay hadino sisa vidiana any.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés