Webradio

JIRAMA AMBOABOAKA : Tovolahy iray handeha hody lasibatry ny andian-jiolahy

Nandalo teo amin’ny Jirama Amboaboaka ity tovolahy iray handeha hody no nosakanan’ny tovolahy maromaro.  27 août 2019

Roa izy ireo no tena nanakana azy, sy nandrahona ary nandray azy tamin’ ny lambany avy hatrany fa ny sasany kosa nitazatazana. Nanontanian’izy ireo izay dia halehany. Nanambara kosa izy fa handeha hody. Avy dia nosavain’ireo jiolahy ny paosiny izay nisy finday saingy niezaka niaro ny fananany izy. Nofinganin’izy ireo izy hianjera ary novangoindreo. Namoaka antsy sady nandrahona azy ireo jiolahy ary namoaka antsy ka navelan’ilay tovolahy ilay finday. Mbola mijery ilay finday ny jiolahy no niezaka niala tampoka ilay tovolahy ka nihazakazaka namonjy ilay bajajy tazany teo. Araka ny nambaran’ilay tovolahy lasibatra dia mbola tamin’ny 7 ora hariva teo no nisehoan’izany ny alahady teo. 

Mbola betsaka ny olona mandalo sy mipetrapetraka eo, hoy hatrany izy saingy tsy nisy nanampy na namonjy azy akory. 

Tsy fantatra na mbola tafiditra amin’ny adin’ny zatovo amin’ny fokontany izy ity, fa tranga mateti-piseho ny fanontanina ny fokontany onenan’ilay lasibatra. Andro vitsivitsy izay dia tovolahy avy nijery fety teny amin’ny Soma beach no nosakanan’ny andian-jiolahy ka notsindromin’izy ireo zava-maranitra rehefa avy nendahina, ka namoy ny ainy. Efa ela ihany koa no fantatra fa misy jiolahy manakan-dalana sy mandrava na olona mpandeha an-tongotra na mpandeha moto sy bajajy amin’ny alina, manomboka eo amin’ny Pont blanc ka hatreny amin’ny ’croisement Ambondrona". 

Andro vitsivitsy ihany koa izay dia tokantrano roa no notetezin’izy ireo norobaina eny amin’iny fokontany Mahavoky akaiky ny Jirama Amboaboaka iny. Manaitra ny tompon’andraikitra hijery akaiky ny zava-misy fa manjaka tanteraka ireo jiolahy.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés