Webradio

FAKANA AN-KERINY TERATANY KARANA : Tambajotra goavana ahitana olona 11 rava

Taorian’ireo trangana fakàna an-keriny  nisesy  teto an-drenivohitra sy  tamin’ny  Faritra maro   dia   nisy  ny  paikady  napetraky ny  mpitandro  filaminana, nentina  nikarohana   ireo olon-dratsy    tao  ambadik’izany.  27 août 2019

Vokany, nitombo isa ireo  jiolahy  tratran’ny  vela-pandriky ny  zandary ary isany  nahazoana  angom-baovao  mahakasika izany  ny  teto  an-drenivohitra.   Raha ny tatitra  voaray, tamin’ny 05 aogositra 2019 no nisy   “ kidnapping” teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay teny Ankadivato.  

Naharay  vaovao  momba izany ny teo anivon’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Analamanga, ka nanomboka teo  no nisokatra ny  fanadihadihana. Niainga tamin’ny angom-baovao sy ny famotorana dia nisy olona voasambotra  ny 18 aogositra 2019, manoloana  io fisamborana io anefa  dia nisafidy ny tsy hanome vaovao mihitsy ny fianakavian’ ilay niharan’ny fakàna an-keriny ity. Niaiky ny heloka vitany sy nanondro ireo namany ireo jiolahy ireo, ka izany no nahafahana nisambotra ny hafa, izay efa nisy nitsoaka tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Miisa 11 izy ireo ka misy mpivady, 05 ny vehivavy ary 06 ny lehilahy. 

Tamin’ny fanadihadiana azy ireo ihany no  nahafantarana  ireo fitaovana maro  nampiasaina tamin’ny  fanatanterahana  ny  asa ratsy,  toy ny “moto scooter” miisa  04 , basy poleta vita vahiny 02 sy bala 49, finday 04, ody gasy 02. Ankoatra izay  dia nampiasa karapanondro hosoka maromaro ihany koa izy ireo nahafahan’izy ireo nividy “puces” maromaro hampiasaina. Efa tafaverina amin’ny fianakaviany io Karana nalaina an-keriny io taorian’ny fandoavana ny vola notakin’ ireo jiolahy. Manentana ny  rehetra hatrany  moa ny  Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga ny amin’ny  hanomezana  vaovao marim-pototra  raha sendra misy  trangan-javatra mampanahy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés