Webradio

ANDRANOMANELATRA : Foana tanteraka ny fasana, nametraka hafatra hafahafa ireo jiolahy

Mahazo vahana ny halatra taolam-paty  eto amintsika ary tsy  mbola fantatra  mazava izay  tena ao ambadik’ity  raharaha ity.  27 août 2019

Raha ny  zava-misy  eny  amin’ny  fiarahamonina  dia  betsaka ny manana ahiahy  fa misy  afera goavana  ny antony   ilàna taolam-paty,  no sady  misy  tambajotra goavana mandray  sy  mividy lafo azy ireny. Raha ny  loharanom-baovao voaray  matetika moa  dia saika   misy  ihany ireo  olona tratra  kanefa  dia toa misafotofoto  be  ny tena  zava-mitranga  marina ao ambadika. Izany no tena isany mampitaraina ny olona, indrindra ny eny  ambanivohitra, misy  fasana  mitokatokana. Efa betsaka ireo  fianakaviana no  very  taolam-balo, vaky  fasana. 

Tsikaritra ihany koa fa rehefa fotoanan’ny   famadihana  no tena mampirongatra azy io.  Raha ny zava-nisy  tao  Ambohimiarivo  Kaominina Andranomanelatra, Distrika Antsirabe II iny  ihany  koa izao dia  azo  lazaina fa  tsy  nisy taolam-balo intsony  tao  am-pasana no sady mbola namelan’ny jiolahy hafatra hafahafa  izy ireo. Ankona tanteraka  ny   fianakaviana raha  sendra nahita  razana lena iray   sy  karan-doha  sisa tavela tao am-pasana.  

Tamin’ny  andron’ny  famadihana niarahan’ny fianakaviana,  ny alatsinainy  faha-19 aogositra 2019 lasa iny  no  hita  fa razana lena iray vao nalevina fotoana vitsy sy karan-doha no sisa tao. Niparitaka tanteraka ny  lamban-drazana ary  ny  tena  nahavariana azy  ireo  dia mbola nahitana taratasy navelan’ny  jiolahy  tao  izay milaza fa «  asakasak’izay tsy hanao fa fito alina ariary  ny kilao ». Vaky  saina tanteraka ny  fianakaviana  manoloana ny  zava-nitranga.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés