Webradio

DISTRIKAN’I BETROKA : Rongony 300kg nodorana, jiolahy miisa 6 tazomina vonjimaika natao famotorana

Manao tohivakana tanteraka ny fahatrarana  zava-mahadomelina any amin’ny  Faritra Atsimon’ny  Nosy iny raha toa saika  ho isan-kerinandro no ahazoana loharanom-baovao mahakasika izany any  an-toerana.   2 septembre 2019

Tahaka izany koa ny fiparitahana  fitaovam-piadiana  mahery vaika satria    isan’ andro  no ahazoana vaovao   momba ny fahitana  basy  sy bala tsy ara-dalàna amin’ny  Faritra maro eto amintsika . Am-perinasa  ary mikaroka ireo olona ao ambadika mpikirakira izany  ankehitriny ny eo anivon’ny mpitandro  filaminana, efa nisy  ireo  voasambotra  kanefa ao koa ireo  mbola  karohina . Ankoatra ireo  voly rongony  amina hektara sarona  teo aloha teo dia nahazoana  angom-baovao    hatrany ireo rongony  bediabe  nafatratra amin’ny kitapo. 

Manginy  fotsiny ireo tratra eo am-pivarotana azy eto an-drenivohitra Antananarivo no sady  hita taratra rahateo koa  fa lasibatra amin’ny fidorohana  zava-mahadomelina  ny  tanora vao misondrotra , indrindra  fa ireo  tsy manan-katao  izay lasa  jiolahy  ikoizana  mihitsy  amin’izao  fotoana .  Eo anatrehan’izay indrindra  dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao   voaray  indray ary  fa  rongony  10 gony  mitotaly   200kg no tra-tehaky ny zandary mpanao fisafoana  tao  Andakana  Betroka ny  30 aogositra , tokony ho tamin’ny telo ora maraina . 

Nandritra ny fidinana ifotony  notanterahan’ny zandary  no tsikaritr’ireo jiolahy ny  jiroben’ny  ny fiara  ka tafatsoaka izy  ireo, navelany teny amoron-dalana  ny rongony nentina izay voalaza fa avy any  Andriry. Tamin’io  andro io  hatrany, tokony ho tamin’ny  valo ora maraina  dia nahazo tatitra tamin’ireo olona tsara sitrapo tao an-toerana  indray   ireto  zandary mpanao fisafoana fa  misy  rongony  marobe  koa ao an-tranon’ny olona antsoina hoe  Voantsiriry  sy  Fanampia. Natao  tokoa ny fisavana  ary dia tra-tehaka  tao   ireo zava-mahadomelina  milanja  100kg  niampy  basy poleta vita gasy iray . Avy hatrany dia nogiazana ireo rongony  tratra ireo ary nopotehina  teo imason’ny  manampahefana isan’ambaratongany  tao an –toerana. Jiolahy  miisa enina  notanana  vonjimaika hanohizana ny fanadihadiana  mahakasika ilay basy   vita  gasy tratra nampiasain’izy  ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés