Webradio

DISTRIKAN’I BEKILY : Tafaverina ny omby, nahavelom-bolo ny mponina ny fomba fiasan’ny zandary

Mitroatra , tsy matahotra   dahalo intsony ny  mponina any amin’ny  Faritra Atsimo iny, hany ka raha vao misy halatr’omby  eo an-tanàna dia miray  hina avy hatrany  manatanteraka ny fanarahan-dia sy mivonona  hiady amin’ireo olon-dratsy na dia mafy  ihany aza ny atrehina .  2 septembre 2019

Etsy andanin’izay ny  fifanampiana iarahana amin’ireo zandary mpampandry tany  miasa any an-toerana. Toy  ny zava-niseho  tamin’ny sabotsy   lasa teo , tokony ho tamin’ny roa ora maraina izao dia  nitrangana asan-dahalo nahaverezana omby  tao Ambatosola, Distrikan’I Bekily. Nandray andraikitra hentitra ireto  mpitandro  filaminana nanatanteraka ny asany rehefa nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny fokonolona .

Vokany , Tsy  ela akory dia efa tafaverina tamin’ny tompony ny  omby nangalarina, tsy nisy ny aina nafoy na ny  naratra. Ireo dahalo kosa mbola tafatsoaka ka mitohy  ny fikarohana hatramin’izao. Nahavelom-bolo ny mponina tao amin’ny Faritra ny fahakingan’ireto zandary,  manao antso avo amin’ny  fokonolona hatrany ihany koa anefa izy ireo  hanome vaovao  izay natao  hanamorana ny  fisamborana ireo malaso.  Marihana mantsy fa mbola anjakazakan’ny  asan-dahalo mahery vaika iny faritra iny  raha ny loharanom-baovao voaray matetika.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés