Webradio

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA : Nomen’ny Ceni fampahafantarana manokana ireo kandidà

Ny alakamisy 29 Aogositra lasa teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsaha-kofidiana ho an’ireo olom-pirenena maniry hilatsa-kofidiana ben’ny tanàna.  2 septembre 2019

Ny 12 septambra izao no hikatona izany. Mbola manana andro maromaro araka izany ireo kandidà hamenoana sy hikarakarana ny dosieny. Mifandraika amin’izay indrindra dia nisy ny atrikasa nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ho an’ireo rehetra manana eritreritra hilatsaka ho kandidà ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny Kaominina. Atrikasa niompana indrindra amin’ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany mahakasika ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana ary nanazavana ny lalàna mifehy ny fifidianana ihany koa. 

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanatanterahan’ny Ceni izany tamin’ny alalan’ireo rantsamangaikany eny anivon’ny Distrika. “Nantsoina ireo rehetra maniry ho kandidà ben’ny tanàna mba nanazavana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ankoatra izay dia nisy ny fanazavana mahakasika ny famenoana ny dosie. Maro mantsy ireo kandidà mbola mikaviavia amin’ny fotoana hamenoana ny dosie”, hoy ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitry ny Ceni eny ifotony.  Anisany hevi-dehibe nasongadina nandritra ity atrikasa ny fanomezana hafatra an’ireo kandidà mba hizoran’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana. Nambara tamin’izy ireo fa rehefa tonga ny fifidianana dia mpifaninana ny kandidà rehetra fa tsy mpifahavalo akory. Tahaka ireo fifidianana roa nifandimby teo aloha dia misy hatrany ny lalàna tsy maintsy apetraka eo amin’ireo samy kandidà. Isan’izany ny tsy fahazoan’ny kandidà iray manaratsy ny mpifaninana aminy. 

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés