Webradio

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA : Said Hassan na Sasan no kandidan’ny IRD any Ambanja

Taorian’ny distrikan’i Nosy Be dia nifanome fotoana  tamin’ ireo mpikambana ao anatin’ny vovonana IRD na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina  tao amin’ny hotely Palma Nova  tao an-tampon-tanànan’ Ambanja  ny sabotsy teo ny mpandrindra ny antoko Tgv ao amin’ny faritra Diana Ibrahim Houssen.  2 septembre 2019

Natolotra ampahibemaso  nandritra izany fotoana izany ireo kandida ho ben’ny tanàna mitondra ny loko IRD  manerana ny kaominina miisa 24   mandrafitra ny distrikan’ Ambanja. Namonjy ny fotoana avokoa ireo kandida ho ben’ny tanàna rehetra eny fa na ny an’ny kaominina Ambaliha izay azo lazaina fa lavitra ny toerana misy azy no ratsy ny lalana mankany. Ho an’ny kaominina ambonivohitra Ambanja i Saïd Hassan Ben Saïd Anouar Saïd Abdallah fantatry ny maro amin’ny anarambositra Sassan no natolotry ny vovonana IRD ho  kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izay hotanterahina ny 27 novambra ho avy izao. 

Efa nisahana ny andraikitry ny lefitry ny ben’ny tanàna voalohany  ny lehilahy ary manana traikefa eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Maro amin’ireo mpandraharaha sy raiamandreny ao an-tanàna no mankasitraka ny fandraisan’ity farany anjara amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna ho avy izao ka anisan’izany i Firose Houssen, Dokotera Omar Chamasy  raha tsy hilaza afa-tsy ireto farany. Nahazo tso-drano avy amin’ireo raiamandreny ara-panahy silamo sy kristiana ary ireo raiamandreny ara-drazana ihany koa ingahy Sassan. Andrasana tsy ho ela ny fametrahan’ity farany  ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’izany  fifidianana ben’ny Tanana izany.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés