Webradio

SOAMANDRAKIZAY : Nanamarika ny fiombonan’ny vahoaka malagasy ny lamesa lehibe

Omaly  alahady  08 Septambra  2019 no  fotoan-dehibe nihaonan’ny mpino kristianina Katolika manerana ny  Nosy  tamin’i Papa François , teny  Soamandrakizay.  9 septembre 2019

Vahoaka manodidina ny enina hetsy mahery   no tonga nanotrona  ny lamesa lehibe. Nanome voninahitra izany ireo  oloman-kaja tahaka, ny Kardinaly  Desiré Tsarahazana, ny Filoham-pirenena mivady, ny  filoham-piangonana eo  anivon’ny  FFKM, ny  filoham-piangonana zandriny, ... Tsy   nahasakana   ireo  mpino avy any amin’ny  faritra velively  ny fahalavirana  fa saika tonga teto  an-drenivohitra avokoa mba hijery  any  solon-tenan’i Kristy mivantana, hihaino ny  hafatra apetrany, entina hanovana ny   fiainana sy  hitomboana bebe kokoa amin’ny  fiainana maha Kristianina.  Nanamarika ihany koa ny fiombonan’ny  vahoaka  malagasy  iray manontolo tsy  an-kavanaka ny fivahinianany teto Madagasikara noho ireo  hafatra marobe napetrany. 

Etsy andanin’izay  dia ,tonga marobe teny  an-toerana ireo  marary avy  any amin’ny  Faritra maro  manerana ny  Nosy , ireo izay  tsy  salama  te handray  famindram-po sy  fahasoavana avy amin’ny  Kristy. Manantena fahasitranana avy  amin’ny  Kristy amin’ny  alalan’i Papa François  izy  ireo.  Nanome hafatra ho an’ny  vahoaka iray manontolo, tsy  an-kanavaka araka izany  ny  Papa Ray Masina ary  nanambara fa “ tahaka ireo  vahoaka izay  nitangorona teo amin’ny lalan’i Jesoa dia tonga maro  ianareo mba  handray ny hafany ary hanara-dia azy. Nefa fantatrareo  tsara fa  tsy mora ny manara-dia an’i  Kristy.  Ampatsiahivin’ny  Evanjelin’ny Lioka 14, 25 fa “ vahoaka maro no nanaraka an’i Jesoa” “.  

Maro  ny  sedra mandalo  amin’ny  fiainan’ny  Kristianina saingy  nitaona ny  Malagasy rehetra izy  mba hiorina,  hijery ny fifandraisana ara-pianakaviana, ny fifankatiavanaa na dia sarotra aza ny manara-dia ny  Tompo. Nirindra sy  nilamina ny lamesa lehibe tamin’io fotoana io na dia somary narahina hatsiaka sy  rivotra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés