Webradio

FARITRA BOENY : Tafatsangana ny tambazotra "Tanomafy", miaro ny tontolo iainana an-dranomasina

Mpikambana efapolo isa izy ireo, dia ny mpanabe an-tsekoly, ny solontena avy amin’ireo minisitera voakasika, toy ny jono sy ny tontolo iainana ary ny Ong. 9 septembre 2019

Ny tolakandro ny zoma 06 septambra teo no notolorana mari-pankasitrahana mivaky toy izao "fanamarinana fa nahavita nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fiofanana ho an’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana amin’ny fampiasana ny torolalana ny fikajiana ny tontolo iainana ao amin’ny tambazotra " Ecoguard" izy ireo. Ho an’ireto mpanabe izay kitro hifaharan’ny fanabeazana ireo mpianatra any an-tsekoly, dia samy resy lahatra ka hanao ho zava-dehibe hanabevoho ny mpianatra mba ho sarotiny ny amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. 

Sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa folo tato anatin’ny Faritra Boeny no nahazo tombondahiny tamin’izao fampivondronana voalohany izao. Ny sekoly roa no avy eto ambonivohitr’i Mahajanga, raha enina ny avy ao amin’i Mahajanga faharoa, iray ho an’ny distrikan’i Marovoay, ary iray torak’izany koa ny avy any Ambato Boeny, dia samy tonga niofana nandritra ny telo andro tao amin’ny resto Gasy etsy Mangarivotra. 

Ankoatra ny fiofanana nomen’i Anatoli sy i Manoelison Guandy Arnaud, mpampiofana C3 avy any Diana, dia nanao fidinana ifotony nitsidika ny sisin-dranomasin’Antsanitia ireto mpisehatra ireto. Tamin’izany no namantaran’izy ireo ny karazana ala honko miisa dimy teny amin’io sisin-dranomasina io, dia ny honko voara, honko lahy, honko vavy, lovinjo, ny tsitolomo, ary ireo roa ambiny sisa izay tsy voatsidika noho ny halaviran-dalana mihazo ny faritra misy azy ireo. Nofaranana tamin’ny fizaràna ny mari-pankasitrahana sy ireo fitaovana hoentina manatanteraka ny fanentanana any an-tsekoly ireo mpanabe nahazo ny fiofanana. Fitaovana toy ny akanjo fanamiana mitovy soratra " Junior écoguard", teo koa ny penina fanoratana, ny boky torolalana, ny penisiliazo fandokoana sy ireo maro hafa ihany koa. 

Ramatoa Volazandry Marie Berline, no lany ho filoha mpitarika ny tambazotra "Tanomafy" na tanora mandray andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana, ary misy mpikambana  fito mandrafitra ny biraom-paritra aty Boeny. Hivory indray mandeha isan-telovolana izy ireo, araka ny dinika nifanapahana ny zoma teo, ka ny volana desambra ho avy izao no akaiky indrindra amin’izany. Fivoriambe voalohany hivondronan’izy ireo hanapahana ireo fitsipika anatin’ny fikambanana no atao amin’io sy fananganana ny drafitrasa hoenti-manatratra ny tanjon’ny minisitera ho amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Tandindonin-doza izy io ka izany no nanery ny "C3 Madagascar", nanangana ny tambazotra " tanomafy" aty anivon’ny faritra, izay ivondronan’ireo mpiantsehatra sy ny Junior écoguard, izay vatsian’ny Tusk ara-bola. 

Marcos. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés