Webradio

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA : Andriantomanga Mokhtar kandidan’ny IRD ao Mahajanga

Ny alatsinainy maraina teo no natolotra tao amin’ny lapan’ny tanàna Mahajanga ny taratasy manolotra an’ Andriantomanga Mokhtar ho kandidàn’ny IRD na isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanànan’i Mahajanga.  10 septembre 2019

Mbola nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna  Andriantomanga Mokhtar. Nisaotra ny Filoha Andry Rajoelina sy ny sekretera nasionaly ny antoko TGV izy satria tahaka ny olona nahazo diplaoma izy, hoy izy, satria nanamafy ny fahatokisana napetrany aminy ny Filoham-pirenena sy ny sekretera nasionalin’ny TGV. Nankatoavin’ny Filoha ny asa vitany sy ny ekipany, hoy izy. 

Averina amin’ny vahoaka ny fahefana amin’izao fotoana izao, ary efa mahatoky azy ny Filoha, ka mbola manantena ny fahatokisan’ny vahoakan’i Mahajanga azy izy. Manome toky ny vahoakan’i Mahajanga izy hanohy ny fanatsarana ny tanàna izay efa natombony hatrizay.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés