Webradio

HALATRA VY TAO AMIN’NY ORINASA IRAY : Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo jiolahy

Ho  fanatsarana   ny lafiny fandriam-pahalemana  eto an-drenivohitra dia mitohy hatrany  ny  fisafoana ataon’ireo Polisy  misahana  izany.  11 septembre 2019

Ny alatsinainy 09 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nisy lehilahy  iray nianika  tamboho tao amin’ny orinasa iray eny amin’ny faritra Ambohimanarina iny. Tsikaritry ny mpiambina avy  hatrany ity tovolahy ity rehefa tafiditra tao amin’ny tokotanin’ ilay orinasa ambenany ka  niantso ny Polisy  avy  ao amin’ny boriborintany fahaenina izy. 10 minitra taorian’ny antson’ity mpiambina ity dia tra-tehaky ny Polisy teo am-pibatana ireo vy tao amin’ilay orinasa ilay lehilahy. 

Nosamborina  ity  farany  mba hatao famotorana.  Nandritra  ny  fakana  am-bavany  azy   tamin’ izay fotoana izay  dia  niaiky   ny heloka vitany  izy  ka hiakatra  fampanoavana ny raharaha  aorian’izay.  Isan’ireo  faritra mena  amin’ny  asan-jiolahy  ny eny  Ambohimanarina sy ny  manodidina , eo  anatrehan’izay  indrindra  dia  manamafy  sy  manatsara hatrany  ny paikady  enti-miady amin’ireo  olon-dratsy  ny mpitandro  filaminana eto  Antananarivo  sy  ny  manodidina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés