Io ny teny faneva entin’ny Faribolana Sandratra hanamarihana izao faha30 taona izao. Namolavola mpanoratra sy poeta maro manana ny toerany eto anivon’ny firenena malagasy ny Faribolana Sandratra. Tao ny efa nianika ny habakabaka, zary tonga kintana raha tsy hilaza afa-tsy ry Elie Rajaonarison sy i Solofo José, ao ny andrarezin’ny vanim-potoana « mpampita fanilo » toa an-dRanoe, Niry Solosoa ary i Nalisoa Ravalitera izay hanaovana ny hetsika « pao-tsatroka ho an’i J. Nalisoa Ravalitera, amin’ny sabotsy 21 septambra ho avy izao. Ao koa ny zandrikely mpanodina ny Faribolana Sandratra mitsoka ny afon’ny literatiora hiredareda hatrany. Tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianarana ary anaty laza adina amin’ny fanadinam-panjakana mihitsy aza matetika ny sanganasan’ny mpanoratra ao amin’ny Faribolana Sandratra.
Ivon’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Faribolana Sandratra ny talata 17 septambra hatramin’ny 21 septambra 2019 izao eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Eo ambany fiahian’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny hetsika. Hisokatra ny talata 17 septambra 2019, maraina, manomboka amin’ny folo ora ny ivon’ny fankalazana. Ao ireo boky sy ranty nanamarika ny fiainana sy lalana samihafa nolalovan’ny Faribolana Sandratra, nandritra izay telopolo taona izay, indrindra ny mombamomba ny mpanoratra tsirairay avy. Ravahin’ny antsan-tononkalo eny anelanelany eny, izany. Hisy ihany koa ny fihaonana mivantana amin’ireo mpanoratra sy poeta mpiray faribolana, arahina vela-kevitra momba ny riankalo, Tokatoka, Sovaramita sns … ny alarobia 18 septambra 2019 amin’ny 3 ora tolakandro.
Ny Ami
Misaotra amin’ny vaovao.
Raha tsy misy ny fiovana dia hitohy amin’ny zaikabe nasionaly aany Fianarantsoa ity fankalazana ity ny 10 oktobra hatramin’ny 13 oktobra.
"Tantaran’ny haisoratra soratana dieny mbola eo ilay mpanoratra."