Webradio

LALAM-PIRENENA FAHAFITO : Taksiborosy iray nahitana rongony milanja 5kg

Hatramin’ny fiandohan’ny  taona 2019, dia saika nahazahoana loharanom-baovao  mafampana hatrany  ny  fahatrarana rongony  entin’ireo   taksiborosy, ao koa ireo  tany  amina hektara maro ambolena izany, ireo  mpivarotra sy  ireo  tanora sarona eo am-pidorohana.  12 septembre 2019

Matetika iny lalam-pirenena fahafito iny  no tena  ahitana azy  hatramin’izao.  Misy ireo  olona mpivarotra, mpandray  ny entana eto  Antananarivo  izay  vidiana sy  jifaina tokoa raha ny  tatitra voaray matetika momba izany.  Efa nisy  ireo olona nosamborina    voasaringotra amin’ny raharaha saingy ny mahagaga anefa dia toa tsy mbola mazava  tsara   hatramin’izao   ny tena tompon’andraikitra sy  ambadika  amin’ny  fanaparitahana zava-mahadomelina eto amintsika.

Lasibatra ny  tanora  vao erotrerony

Ho an’ny  eto  an-drenivohitra manokana  izao  raha ny  angom-baovao voaray   nisesisesy  dia     zatovolahy  manodidina ny  15 ka hatramin’ny  25 taona eo  no   sarona  amin’ny   fifohana rongony.  Saika ny ankizy  tsy  manan-katao lasa  mpanendaka  sy  mpanao  halabotry sy   ireo  toerana eny  amin’ny  faritra iva toy  ny eny  Ambodin’Isotry, Andavamamba, Ampefiloha, no nahitana tranga betsaka.  Etsy andanin’izay  ireo  olon-dratsy   mpandroba. Eo anatrehan’ireo  seho indrindra no  atahorana amin’ny  taranaka  fara mandimby  izay  tokony handraisan’ny  fitondram-panjakana fepetra hentitra. 

Raha tsy hilaza afa-tsy ireo  voly  rongony  amina hektara maro fotsiny. Nisy  ihany ireo  efa nogiazana tany  amin’ny  Faritra atsimo  saingy mbola manjavozavo  amin’ny  rehetra toa tsy misy tohiny intsony ny raharaha ankehitriny.  Ny ankabeazan’ireo  mpanara-baovao no miandry   sy  liana  hamantatra izay ambadik’ity rahararaha ity, ankoatra ny  vahaolana famongorana izany.
 Raha  ny tatitra voaray  avy  amin’ny  Polisim-pirenena  voaray   omaly, ny 07septambra 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nisy taksiborosy mampitohy an’ Ambalavao sy Fianarantsoa no nahatrarana kitapo iray feno rongony milanja 5kg. 

Sakan-dalana nataon’ny Polisy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito teny Ankidaona no nahatratrarana ity rongony ity rehefa nisy ny fisavana ny entana noentin’ilay fiara. Noentina avy hatrany tany amin’ny paositry ny Polisy nanaovana fanadihadiana moa ilay lehilahy 22 taona tompon’ilay entana ka rehefa natolotra ny Fitsarana dia nidoboka am-ponja vonjy maika ny 09 septambra lasa teo.   Tsikaritra hatrany  fa ataon’ny  mpitandro filaminana sava hao  mihitsy lalam-pirenena fahafito  manoloana ireo  gaboraraka   be dia be, eny  fa na dia mbola misy ihany aza  ny indro kely.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés