Webradio

ANDRAVOAHANGY - MPANENDAKA TRATRA : Nahitana ody gasy tany anaty akanjony

Manao rano lava ny  fahatrarana mpanendaka eto  an-drenivohitra sy  ny manodidina. Miseho  amin’ny  endriny maro  ny  tranga ka tamin’ity  fotoana ity  indray  izao  dia tra-tehaky ny  Polisy  ireo  ody  gasy   fampiasan’izy  ireo, entiny  hanariana saina ireo olona  robaina.  12 septembre 2019

Raha  ny  loharanom-baovao voaray  bebe kokoa mahakasika ny  zava-niseho dia  tovolahy  iray  no voasambotry ny Polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny CSP8 Analamahitsy ny alatsinainy 09 septambra 2019 lasa teo, teny Andravoahangy, raha vao avy nangarom-paosy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Polisy nanao fisafoana no nanatonan’ilay vehivavy ka nitantarany izay nanjo azy. 

Nambarany fa nisy tovolahy maromaro nangarona ny paosiny ka lasan’izy ireo tamin’izany ny findainy ary mbola hitany ao Andravoahangy ireo mpangarom-paosy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy hitady ireo olon-dratsy. Vao nahita ny polisy nanatona azy anefa ireo olon-dratsy niisa  efatra  dia vaky nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny  iray  tamin’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana ity voasambotra ity  no  nahitana  ilay ody gasy mipaingotra tao anaty akanjony entiny hanaovana fandraikiraikena amin’ireo olona haroniny paosy. Fantatra ihany koa fa efa nifonja noho ny resaka halatra izy ny taona 2018. Ireo namany izay tafatsoaka niaraka tamin’ilay finday halatra kosa dia mbola karohina fatratra  amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés