Webradio

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA AO NOSY BE HELL VILLE : Jiolahy miisa 06 naiditra am-ponja vonjy maika

Tsy  dia mandry  fahalemana  loatra  ny  ao  amin’ny  Distrikan’i Nosy  be Hell Ville  tato ho ato raha  ny tatitra voaray  avy  any  an-toerana.  12 septembre 2019

 Misy  andian-jiolahy   mpanao  fanafihana mitam-piadiana  sy  mampihorohoro  ny  fokonolona  mihaodihaody ao, izay anaovan’izy  ireo  antso  avo  amin’ny  tompon’andraikitra mahefa mba hiaro  azy  ireo. Manoloana izany indrindra dia hentitra ny fisafoana tanterahin’ny  eo  anivon’ny  Polisim-pirenena   mba hiarovana ny  vahoaka  sy  ny fananany. Fantatra  àry  fa tokantrano iray tao Marodoka (Nosy-Be) no saika hisy hanafika ny alin’ny 07 Septambra 2019 lasa teo.  

Avy hatrany  dia nidina  ifotony  ireo  Polisy  raha vao nandre ny vaovao ka  tonga ara-potoana saingy  vaky rifatra ireo jiolahy raha  saika hanatanteraka ny asa ratsiny.  Taorian’izay  dia nitohy ny fanadihadiana nataon’ny Polisy avy ao Nosy-be  ka  fantatra avokoa ireo olona saika hanao izany fanafihana izany. Ny alatsinainy 09 Septambra àry dia olona miisa 6 no nosamborin’ny mpitandro filaminana ka ny 03 tamin’izy ireo  no  tena nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana saika natao, ny 03 ambiny kosa dia niray tsikombakomba sy nampiantrano ireto jiolahy ireto.  Ankoatra  izay  dia mbola misy ihany koa ny olona 02 izay mbola  karohina hatreto.  Tsy  niandry  ela  fa tonga dia nampiakarina  fampanoavana ireo olona 6 ireo ary notazomina am-ponja vonjy maika ankehitriny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés