Webradio

FIATREHANA NY FIFIDIANANA : Hifampizara traikefa ireo ankolafin-kery telo

Efa mizotra am-pilaminana ny firosoana amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta  Ntsay Christian.  12 septembre 2019

Ankoatra ireo pitsopitsony rehetra mifandraika amin’izany dia tsy maintsy apetraka ihany koa ny rindran-damina eo amin’ny fametrahana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Manoloana izany indrindra dia hisy ny atrikasa karakarain’ny ivon-toerana Eoropeanina miantoka ny fifidianana (Eces). Atrikasa hampivondronana ireo an-kolafin-kery miisa telo izay tafiditra ao anatin’ny raharaham-pifidianana. Anisan’izany ny mpikambana eo anivon’ny Céni, ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety ary ny mpitandro filaminana. 

Ho an’ity farany manokana dia hisy ny solon-tena avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena hifampizaran’izy ireo traikefa ho an’ny fitandroana ny filaminana. Tanjona ao anatin’ity atrikasa ity ny hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ireo samy tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana sy ireo rehetra misehatra eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana mba hisian’ny fitoniana sy filaminana mandritra ny andro hanatanterahana ny latsa-bato. Mpizaika manodidina ny 45 isa no fantatra fa handray anjara amin’io atrikasa karakarain’ny Eces io. Ireo lafin-kery miisa telo no handray anjara amin’izany dia ireo mpitandro filaminana, ny Céni, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpampahalala vaovao. 

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés