Webradio

AMBATOMAINTY : Mampihorohoro amin’ny basy kilalao sy midaroka ireo jiolahy

Amin’ny  alalan’ny basy kilalao no  paikady  entin’ilay  jiolahy    manao  ny  asa ratsiny  teto  raha ny  angom-baovao  voaray avy amin’ny  Polisim-pirenena.  13 septembre 2019

Tsy  vao  izao  rahateo  koa fa efa fanaony   izany na dia efa tratra matetika aza ity  farany no  sady efa nifonja teny  Antanimora, noho io antony io hatrany.   Araka ny  fanampim-panazavana voaray omaly  dia, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP8 nohon’ny resaka fanendahana tamin’ny alatsinainy 09 septambra 2019 tokony ho tamin’ny 11 ora alina teny Ambatomainty. Vao iray volana lasa izay no nahatratraran’ny Polisy ity lehilahy iray ity ary rehefa natolotra ny fitsarana dia notazomina vonjy maika teny Antanimora kanefa izao tra-tehaka izao indray.

Tsy niova  araka  izany ny fomba fanaon’ity lehilahy ity fa mandrahona olona amin’ny alalan’ny basy kilalao hatrany  ka alainy avokoa ny zavatra rehetra eny amin’ilay olona ary tsy vitan’izay fa mbola darohany koa ireo robainy. Lehilahy iray no lasibany tamin’ny alatsinainy lasa teo raha hamonjy fodiana teny Ambatomainty, rehefa norahonany tamin’ny basy kilalao dia nalainy ny vola mitentina iray  hetsy  ariary  miampy ny finday. 

Mbola afaka niantso vonjy anefa io lehilahy io ka nisy Polisy miasa ao amin’ny CSP8 tsy lavitra teo no nihazakazaka haingana  raha vao naheno ny feony. Rehefa raikitra ny fifanenjehana dia tra-tehaka tsy lavitra teo ranamana ary mbola hita teny aminy ny vola sy finday ary basy kilalao iray nangalariny. 

Mbola eny amin’ny hopitaly ilay olona nodarohany  hatramin’izao  manohy  ny  fitsaboana nohon’ny ratra mafy izay nahazo.  Ilay  jiolahy kosa efa voatazona sy mbola atao famotorana lalina satria dia efa maro an’isa ihany ireo  lasibatra eny amin’ny  manodidina an’Ambatomainty iny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés