Webradio

VAKY TRANO TENY ANKANDINDRAMAMY : Jiolahy iray voasambotra, karohina ny namany roa

Velon-taraina nohon’ ny  vaky  trano  misesilany  eny amin’ny  manodidina an’Ankadindramamy  sy  ny eny  Mahazo, eto  an-drenivohit’Antananarivo  ny mponina mipetraka eny. 13 septembre 2019

Faritra mena amin’ny  asan-jiolahy ny  tanàna  ary saika  misy vaky trano   sy asan-jiolahy mahery  vaika matetika.   Tamin’ity  fotoana ity dia  fivarotana indray  no nisy namaky saingy voasoroka mialoha ihany   rehefa tonga haingana ny  Polisy mpanao fisafoana. Tovolahy iray 24 taona  hatreto  no fantatra fa  voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP8,  tokony ho tamin’ny 08 ora alina teny Ankadindramamy noho ny  filazana fa tompon’antoka tamin’ilay   resaka vaky trano niseho. 

Raha ny angom-baovao  voaray   omaly dia fivarotana iray teny Ankadindramamy no nisy namaky tokony ho  tamin’ny 08 ora alina.  Telo  lahy ireto namaky ny fivarotana ireto ka rehefa tsikaritry ny tompon’ny tsena fa misy manapitsoka ny varavarana avy hatrany dia niantso Polisy ny tenany, ka tonga teny an-toerana  avy  hatrany ny mpitandro filaminana. Rehefa nahita ireo Polisy anefa ireto   jiolahy dia nirifatra nandositra ka ny iray  tamin’izy ireo no tra-tehaka rehefa nifanenjehana. Rehefa natao ny fanadihadiana azy  dia nisy vola dimy alina ariary very tao amin’ilay trano fivarotana ary ity farany izay voasambotra no nahitana io lelavola io. 

Niaiky  araka izany  ity farany   izay  voasambotra  fa nanao izany vaky trano izany ary mbola eo am-pikarohana ny namany  roa  hafa ny Polisy ankehitriny.  Ao  anatin’ny famotorana lalina mahakasika ny raharaha    ny mpitandro  filaminana  amin’izao  fotoana izao.  Eo anatrehan’ireo trangana tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra  Antananarivo   dia tsy mitsahatra  manao  antso avo  amin’ny  vahoaka   ny eo anivon’ny Polisim-pirenena mba hanome loharanom-baovao  azy ireo  mialoha raha sendra ka misy tranga mampiahiahy. Ho  fisorohana ny loza mety hiseho  ary  koa fiarovana ny  vahoaka sy  ny  fananany no  tanjona.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés