Webradio

FANAPARITAHANA RONGONY AO IHOSY : Tratra i Ralavasomitra sy ny ekipany

Manao  tohy vakana hatrany  ankehitriny  ny fanokafana  fanadihadihana momba ireo   andian’olona mpanao  afera sy  mpanaparitaka zava-mahadomelina eto  amintsika.   17 septembre 2019

Ankoatra ny  ezaka tratrarin’ny  zandary  mpanao fisafoana amin’ny  Faritra maro  dia  mandray an-tanana ny fikarohana ireo olona   voatonontonona ho ambadik’izany ihany  koa ny eo anivon’ny  Polisim-pirenena miasa any amin’ny  Faritra Atsimon’ny  Nosy.   Efa aman-taonany maro  ireo  mponina ao anatin’ny  Distrikan’Ihosy  no  velon-taraina mahakasika ireo  mpivarotra rongony   ao an-toerana, mahazo  vahana ny fiparitahana  ary  saika  midoroka izany  avokoa ireo  tanora.

Hany  ka  manjaka dia manjaka ny  tsy  fandriam-pahalemana nohon’ny fironan’ireo  tanora amin’ny  asa ratsy. Araka ny  loharanom-baovao  voaray  dia  olona  miisa  efatra no voasambotry ny Polisy tao Ihosy tamin’ny alakamisy 12 septambra 2019 lasa teo nohon’ ny resaka fivarotana rongony.  Nandritra ny fisokafan’ ny fanadihadiana notanterahin’ny   Polisy dia  fantatra fa nisy  rangahy iray antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Ralavasomitra no malaza fa mpamatsy rongony eo an-toerana. Nohon’ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona sy ny Polisy no  nahafantarana   ny trano  fonenany  izay  tao amin’ny fokontany ambany andrefana akaiky an’i Ambatoara. 

Tsy niandry ela intsony  araka izany  fa  nidina ifotony nijery  ny raharaha  ny Polisy. Tra-tehaka tao amin’ny trano iray  Ralavasomitra niaraka tamin’ny namany telo hafa izay mpividy rongony ao aminy ary nahatratrarana rongony iray zerikana efa vonona hamidy sy rongony tapaky ny harona sase roa izay mbola amin’ny tahony ary rongony efa voafono maromaro.  Mitohy  hatreto    ny fikarohana  ireo  olona  mpanaparitaka rongony  ao  anatin’ity  Distrika ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés