Webradio

FANAFIHANA TOERAM-PISOTROANA TAO FIANARANTSOA : Lasan’ny jiolahy ny vola an-tapitrisany

Ny faran’ny  herinandro lasa teo,  tonga  nanafika tokantrano   tao  amin’ny  fokontany  Soanierana  ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa  ny jiolahy  mitam-basy miisa dimy.   17 septembre 2019

Mpivarotra  zava-pisotro mahamamo ity  tokantrano ity raha ny  angom-baovao ka  saika alina  amin’ny  11 ora any ho any vao mihidy. Tamin’izany  indrindra no   nanararaotan’ireo   mpandroba nanao  ny asa ratsiny ka  avy hatrany dia nitsofoka, nanambana basy  ny mpivarotra sy  ny mpanjifa mbola  nirevirevy  tao amin’ity toeram-pisotroana ity. 

Noho ny tahotra  sao  ho voatifitra dia   namoaka vola tamina kitapo avy hatrany  ny tompon-trano  tamin’io fotoana io. Vatany vao naharay izany anefa ireto  olon-dratsy  dia  tafaporitsaka  nitsoaka avokoa. Taorian’izay tranga izay vao  afaka nampandre ny  mpitandro  filaminana izy ireo. Tsy  mbola voafaritra mazava kosa ny  vola  lasana’ny  jiolahy saingy  nofaritan’izy  ireo  ho amina tapitrisany ny very. Andalam-panaovana  fanadihadiana  ny raharaha ny mpitandro  filaminana  amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés