Webradio

SAHORANA FENOARIVO - ATSINANANA : Fiara sprinter nivadika, 10 naratra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fokontany Sahorana lalam-pirenena fahadimy mampitohy an’i Fenoarivo-Atsinanana sy Toamasina ny marain’ny sabotsy 21 septambra lasa teo.  23 septembre 2019

Fiara sprinter manao zotra Fenoarivo-Atsinanana sy Toamasina niala tamin’ny 3 maraina tao Fenoarivo io tra-doza io. Vao 4 km monja, niala ny tanànan’i Fenoarivo-Atsinanana no nitrangan’izany. Raha ny fanazavan’ny mpandeha tao anatiny, dia nisy vato be maromaro nisy nametraka teny amin’ny lalana. Somary nandeha mafy ihany koa ny mpamily ka tsy voatazony intsony ny familiana rehefa niantefa teny amn’ireo vato ny kodiarana.

Vokany, mpandeha miisa 10 naratra. Ny telo no tena voa mafy. Ny roa izay samy naratra teo amin’ny loha avokoa. Tao ny nivoaka ra avy anaty sofina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.  Efa samy nahazo fitsaboana sahaza avokoa ireo mpandeha naratra.
Sotasosa sa saika hanafika ?

Mbola mifamaofao ny mety ho antony nisian’ny vato be nirantiranty teny amin’ny lalana akaiky ny tanànan’i Sahorana Fenoarivo-Atsinanana io. Ao ny milaza fa gafy atan’ireo olona mamo avy namonjy tsaboraha. Tsara mantsy ny manaramarika fa tsy nisy entana very. Ao kosa no miteny fa fikasana hanafika fiara mpitondra lavanila no ambadak’io vatobe io. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés