Webradio

RAHARAHA TALE JENERALY SY NY MPIAMBINA AZY : Niova ho raharaham-pihavanana

Raha ny alatsinainy 30 septambra no daty voatondro hiakaran’ilay raharaha hetraketraka nataona tale jeneralin’ny orinasa tsy miankina iray tao amin’ny efitrano fandihizana tao Bazary Be Toamasina, dia tsy niakatra fampanoavana indray aloha izany. Araka ny angom-baovao, dia nangataka raharaham-pihavanana ilay Tale jeneraly. 2 octobre 2019

Ny alatsinainy 30 septambra io, nisy ny fihaonana teo amin’ny mpisolovavany sy tamin’ireo niharan’ny hetraketraka. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa misy volabe takin’ireo niharan’ny herisetra.

Mbola tsy fantatra mazava kosa na handoa io vola io na tsia ilay tale jeneraly sy ilay zandary mpiambina azy.

Miankina amin’ny fanekena ny ho fandoavana io vola io araka izany no hitozan’ny raharaha na tsia, hoy hatrany ny angom-baovao.

Mahatonga resabe ao Toamasina iny raharaha iny. Tranga izay maneho fa na efa tanàn-dehibe aza i Toamasina dia mbola misy olona milaza azy ho ambonin’ny lalàna amin’ny alalan’ny fanaovana herisetra amin’ny mpiara-belona,  vitavita ho azy amin’ny raharaham-pihavanana.

Raha tsiahivina, dia ny alin’ny sabotsy 21 septambra lasa teo no nisehoan’ilay tranga tao amin’ny efitrano fandihizana lehibe iray tao Bazary Be Toamasina. Nandrora teo amin’ny pista ny zandary mpiambina ilay tale jeneraly. Nisy olona niezaka ny mba niteny moramora, hatezerana sy tifi-danitra no nasetrin’ilay tale jeneraly sy ilay zandary mpiambina azy izay sady narahina daroka.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés