Webradio

BAKALOREA : Nahemotra amin’ny zoma ny taranja Tantara sy Jeografia tany Toamasina

Nosembanin-drahona ny fanadinana Bakalorea tao amin’ny distrika maro tao anatin’ny faritanin’i Toamasina.  4 octobre 2019

Ny andro fahatelo (alarobia) no nisehoan’izany. Ho an’ny tao Fenoarivo-Atsinanana, nisy ny fahatarana tamin’ny fanombohan’ny andro fahatelo. Nisy ny vaovao azon’ny lehiben’ny foibem-panadinana manerana ny distrika tao anatin’ny Faritra Analanjirofo fa nisy fivoahana laza adina mialoha ny fotoana.

Taranja fizika-simia sokajy A1 sy A2 io voalaza fa nisy fivoahana laza adina alohan’ny fotoana io. Nisy noho izany ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitry ny fanadinana. Na dia tsy voakasik’izany aza ny sokajy C sy D, dia nisy ihany ny fahatarana teo amin’ny fanombohana. Ho an’ny tao Fenoarivo-Atsinanana, dia tamin’ny 8 ora maraina vao nanomboka ny fizarana laza adina ho an’ny sokajy C sy D. Niandry fahatongavan’ny laza adina fiandry kosa ny sokajy A1 sy A2. Ho an’ny tao Fenoarivo-Atsinanana, dia tamin’ny 10 ora teo vao nanomboka ny adina fizika-simia ho an’ireo sokajy roa ireo. 

Mpianatra miisa telo naratra

Mitovy tamin’io ihany koa ny tranga tao Maroantsetra sy Sainte-Marie ary Soanierana-Ivongo. Vokatr’io fahatarana tamin’ny fanombohan’ny adina ny marainan’ny alarobia 2 oktobra io, dia nafindra amin’ny zoma maraina izao ny adina taranja tantara sy jeografia izay tokony natao ny alarobia tolakandro. 

Ho an’ny tao Toamasina, dia nitovy tamin’io ihany koa ny zava-misy. Voatery nosoloina ny laza adina. Nisy fiandrasana naharitra ka nisy tamin’ireo mpianatra no nitaky ny fanombahan’ny fanadinana. Vokany, mpianatra miisa telo no naratra tao amin’ny foibem-panadinana Stella Maris.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés