Webradio

FISOLOKIANA VOLA : Mpino amina fiangonana zandriny miisa 6 voasambotra teny Anosy

Voasambotry ny Polisy ekonomika Anosy  ny  04 sy 05 oktobra 2019 lasa teo, teny amin’ny Carlton Anosy sy Itaosy ny  olona miisa enina noho ny resaka fisandohana andraikitra, fakana vola tsy ara-drariny ary fisolokiana.  10 octobre 2019

Araka ny   fanazavana voaray  bebe kokoa  mahakasika ny  raharaha, ny   volana septambra 2019 lasa teo dia nisy ramatoa  iray  lehibem-piangonana zandriny eto an-drenivohitra voalaza fa manana raharaha nahavoasaringotra azy any amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly. Nisy lehilahy  iray nanatona azy an-tsokosoko ary milaza fa mitana toerana ambony eto amin’ny firenena ary vonona ny hamaha ilay olana mianjady amin’ity ramatoa mpitondra fiangonana zandriny ity. 

Nilaza ihany koa ity lehilahy ity fa mahafantatra olona ambony amin’ny sehatra maro isan-karazany ary nanonona anaran’olona mihitsy izy  saingy  mba hamahana ny olan’ ilay ramatoa dia mila manome vola ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny misahana ny dosie ilay ramatoa raha te ho  voavaha haingana ny olany. Taorian’ny fifandresen-dahatra sy ny ady hevitra dia nilaza ilay lehilahy fa 20 tapitrisa  ariary   ny fahalalam-pomba hozaraina amin’ireo olona ambony ireo, ary nomena ny 04 okobra 2019 lasa teo izany. Raha vantany vao nahare izany ireo fianakaviana dia mailo ka nampandre  haingana ny Polisy ekonomika Anosy izy ireo. 

Rehefa tonga ny fotoana nifanomezana dia raikitra ary fa eny Anosy no hifanoloran’ny roa tonta ny vola. Noraisin’ny Polisy ekonomika Anosy avy hatrany ny andraikitra ka ny marainan’ny 04 oktobra  lasa teo, teo amin’ny  “parking Carlton” Anosy no natao ny fanomezam-bola. Olona 02 no voasambotra teo noho eo ka ilay lehilahy nilaza fa mitana toerana ambony eto amin’ny firenena ny   iray  miaraka amina lehilahy  iray akaiky azy. Ny hariva tamin’ny 04 ora dia nosamborina teny Tsaralalàna ny lehilahy  iray sy ny vehivavy  iray  izay mpiray tsikombakomba aminy ary nisy ihany koa ny fiantsoana lehilahy  iray hafa tety Anosy ny ampitso ary dia voatazona ihany koa ity farany izay mpivavaka ao ihany koa. 

Ny 05 oktobra lasa teo dia lehilahy iray koa no nosamborina teny Itaosy izay Pasitera ihany koa ny asany ary anisany tompomarika tamin’izao fisolokiana izao. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa sady tsy mitana toerana ambony ilay lehilahy fa misoloky fotsiny. Fantatra ihany koa fa iray fiangonana ny ankamaroan’ireto voasambotra ireto ary misy rohim-pihavanana ihany koa ny sasany amin’izy ireo. Miisa enina ankehitriny ny  fitambaran’ny olona  voasambotra niray tsikombakomba tamin’ity  raharaha ity .

Tatianà R.


FISOLOKIANA VOLA
2019-10-14 19:47:19 par MIKA

Mba te haka toeran ambony kou iz ireo dia nidady hevitr,mb hanongotana n mpitondr hatr@ iz,nef n marin d marin ihan.ka horera-maina foana eo n fahavalo.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés