Webradio

TALATA VOHIMENA : Dahalo iray maty, sarona ny basy kalachnikov iray, tafaverina ny omby

Nisy trangana fifandonana mahery  vaika tamin’ny dahalo ihany  koa tao Ambatolahindravahy, Kaominina Talata-Vohimena, distrikan’i Manandriana, Faritanin’i Fianarantsoa teo aloha, Faritra Amoron’i Mania, ny harivan’ny 13 oktobra 2019 lasa teo.  15 octobre 2019

Araka ny  tatitra voaray  dia manodidina  ny  30 eo ny andrimasom-pokonolona antsoina hoe  : “Zazamainty” niandry kizo tao  amin’io  toerana voalaza  io. Vokany, dahalo iray no lavo, basy mahery vaika Kalachnikov (type FAC) iray koa  no azo.  Tafaverina avokoa ny omby 35 nangalarin’ny dahalo izay  nahavelom-bolo tanteraka ny  fokonolona. Raha tsiahivina  dia efa ho efa-bolana  eo ho eo izao no nanaovana fanentanana ny fokonolona  tao  amin’ity  kaominina ity  mba handray anjara mavitrika amin’ny paikady atao hoe "Auto-défense villageoise" na fiarovantenan’ny tantsaha, ka anisany fanatanterahana izany ny fiandrasan’ny Vondrona "Zazamainty" ireo kizo tena atahorana indrindra.

Efa tranga maro  no nambenan’ireo  Zazamainty  tao an-toerana raha ny fanazavana voaray  ary hita fa nahomby  tokoa ny paikady  entin’izy  ireo miady  amin’ny  asan-dahalo. Toy  ny  trangana halatr’omby  tao Soatono, fokontany  Sahamandresy,  Kaominina Talata-Vohimena, ny alin’ny 09 oktobra 2019 ka lasa tamin’ izany ny omby miisa 35. Rehefa nambenan’ireo Zazamainty ny kizo rehetra tamin’izay  fotoana  izay dia tao Ambatolahindravahy no lalan’ireo tsy mataho-tody, ka raikitra teo  indray  ny fifandonana raha mbola tsy voampandre ny mpitandro fialaminana. Nahitam-bokany  betsaka ny  fanentanana natao tamin’ny fiarovan-tenan’ireo  tao an-tanàna  sy  ny manodidina  mba hiara-hientana  ary nankasitraka ireo  "Zazamainty" ny  fokonolona noho ny fahafoizan-tenan’izy  ireo. Misokatra moa ny  fanadihadiana momba ilay  basy tratra hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés