Webradio

LEHIBEN’NY FARITRA BOENY MPISOLO TOERANA : Nijery ny tany hananganana ireo Trano Mora

Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tany Mahajanga. Nandritra izany no namariparitany tamin’ny mponina ny fahazoana Trano Mora.  15 octobre 2019

Mifanindra an-dalana indrindra ary ho tohin’io fitsidihana nataon’ny Filoha io dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana, Bazezy V. Clavelah tao anatin’ny Kaominina Belobaka, Distrikan’i Mahajanga faharoa. Nandritra izany no nijery toerana maromaro ahafahana hananganana ireo Trano Mora amin’ny vidiny mirary, araka ny velirano nataon’ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoaka Malagasy.

Niara-dia taminy tamin’izany ny ekipan’ny Iem ao anatin’ny Faritra Boeny, ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ireo solon-tenan’ny fandrefesan-tany ao  Boeny. Ankoatra ireo dia niara-dalana taminy ihany koa ny mpandraharaha Malagasy iray, Dr Emma Roseline Rasolovohangy miara-miasa amin’ny mpamatsy vola avy any Etazonia. Tanjona apetrakyAnisany hahazo tombony amin’ity fanorenana voalohany ity ny mpiasam-panjakana. Araka ny fepetra dia tahaka ny manofa trano ihany ireo nahazo ny trano. Misy ny fe-potoana tratrarina ka rehefa tapitra izany dia lasan’ilay nandoa vola isam-bolana madiodio ny trano. 

Ny anjaran’ireo tsy mpiasam-panjakana kosa dia voalaza fa mbola hodinihana amin’ny fotoana manaraka. Paikady napetraky ny Filoha izany mba hitsinjovana ny fari-piainan’ny vahoaka ary hananan’ny rehetra toeram-ponenana mendrika ny fanamboarana ny Trano Mora. Araka ny vinavina nataon’ireo mpandraharaha Malagasy izay hisahana ny asa ao Boeny dia trano manodidina ny roa arivo isa no haorina ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés