Webradio

UNICEF : Nampiofana ireo mpanao gazety vehivavy teny amin’ny Carlton Anosy

Ny 11 oktobra 2019 lasa teo  no tontosa ny  fanofanana  nomen’ny  Unicef ireo mpanao  gazety  vehivavy  mivondrona  ao  anatin’ny   “ Femmes  Journalistes de  Madagascar “ teny  amin’ny  Carlton Anosy,  mahakasika bebe kokoa momba  ilay  tetik’asa “ Pratiques Familiale Essentielles “, izay  misahana indrindra momba ny  fandalinana manokana ny   fiainam-pianakaviana,  ary ny  reny  sy  ny  zaza.  15 octobre 2019

Fiofanana  nentina nampahafantarana ny mpanao  gazety ireo lesoka tokony hahitsy eny  amin’ny  fiarahamonina, ny  ao  an-tokantrano, izay  nahitana teboka enina  izany dia  miantomboka amin’ny   :  fampinonoan-dreny, ny sakafo  ara-pahasalamana  isan-karazany  omena ny zaza, ny  fanaovam-bakisiny,  fanazarana hanasa  tanana ho fitandroana  ny  fahadiovana, fijanonana  amin’ny  fianarana noho ny  antony  maro samihafa  ary koa ny fanambadian’ ny ankizy aloha loatra.

Zava-dehibe no  novoaboasina tamin’io  fotoana io   ka  ny  tanjona tratrarin’ny  Unicef   dia ny  famolavolana  hetsika izay  mitondra vokatra avo lenta miorina eny anivon’ny  fianakaviana, indrindra  fa ireo sahirana ara-pivelomana. Ho fanamafisana  ny  fanatratrarana  ny  tanjona  manoloana   ireo  teboka voalaza ireo hatrany dia hitohy ny  fiaraha-miasa akaiky amin’ny  mpanao gazety  vehivavy sy ny  Unicef amin’izao fotoana izao mba ho  fandraisan’andraikitra   sy  ho  fanatsarana  satria anisany  adidy  miandry  ny mpanao gazety rahateo  koa  ny manentana sy  mampianatra eny  anivon’ny  tontolo manodidina azy. 

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés