Webradio

FESTIVAL JANGA MISOMA LATINO : Avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ireo mpandihy

Taorian’ny festival Diego magnitry danse dia teto Mahajanga indray no nifampitaona ireo mpandihy manerana an’i Madagasikara.  15 octobre 2019

Noraisina manerana an’i Madagasikara ireo mpandray anjara tamin’i Diego magnitry danse ka nisy ny solontenan’i Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Toliary, ankoatra ireo avy any Antsiranana.  Fahombiazana tanteraka ny Diego magnitry danse izay nokarakarain’i Roddy France satria ankoatra ny fanofanana sy fampianarana asa isan-karazany dia nisy ihany koa ny fitsidihana ny toerana fitsangantsanganana ao Antsiranana toy ny Salines, Montagne des français sy ny maro hafa.

Tao amin’ny Hôtel de la poste no natao ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy... ary nanatrika izany i Rijamanitra. Tsy nijanona mihitsy ireo hetsika mandra-pahavita ny festival izay niafara tamin’ny fifaninanana. Ny dihy latino no tena niangalian’ireo mpandihy nandritra izany ka i Toamasina no nitondra ny amboara. 
Vao vita ny tany Antsiranana dia tonga eto Mahajanga izy ireo. Nanomboka ny alatsinainy teo dia teto Mahajanga indray no nanao ny festival janga misoma latino, karakarain’i Roberto. 

Tonga eto Mahajanga ihany koa Elysé coach avy any Toamasina mpikarakara ny maresaka latino de l’océan Indien Tamatave.  Eto ihany koa Roddy France sy Rijamanitra avy amin’ny dih’art Antananarivo.  Nanome fanofanana ny mpandihy eto Mahajanga ireo roa voalohany, ka tao amin’ny maison des jeunes barday ny maraina.  Longcheng restaurant kosa ny hariva, Kizomba,  salsa, bachata no natao tamin’izany.  

Ny sabotsy hariva kosa dia nisy ny danses libres  nandraisan’ny rehetra anjara. Izay notohizana tamin’ ny alim-pandihizana tany amin’ny Cotton clubs.  Ny alahady kosa dia natokana tamin’ny fifaninanana ka tamin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy nanomboka ny fifaninanana. 

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés