Webradio

SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO : Polisy miisa roa tratra nanao kolikoly

Hentitra ny  eo  anivon’ny  fitondram-panjakana mijoro  ankehitriny  amin’ny ady  amin’ny  kolikoly na amin’ny  sehatra inona izany  na inona.  17 octobre 2019

Toy ny tompon’andraikitra sasany eny amin’ny  seranam-piaramanidina Ivato  izao   hatramin’izay  dia fantatra  fa nalaza ratsy  tamin’ny  fampanjakazakana  ny  kolikoly amin’ny  endriny  maro samihafa izay ahazoana fitarainana matetika.  Raha ny  loharanom-baovao voaray  omaly  teo am-panoratana ny lahatsoratra mahakasika ny raharaha dia voalaza fa  Polisy miisa roa amin’izao fotoana izao  no  sarona nanao kolikoly  nandritra  ny  fanadihadiana lalina natao. 

Marihina moa fa herinandro taorian’ny fitsidihana tampoka nataon’ny Filoham-pirenena teny an-toerana dia nandeha ny famotorana lalina ka nahatratrarana ireto polisy ireto izay efa nampitaraina ny maro hatramin’ ny  ela. Efa mampitandrina sahady  izay mbola mikasa hampanjaka  izany  hatrany  moa ny  fitondram-panjakana fa tsy ijerena tavan’olona  ny fikarohana  fa izay  tratra mandika lalàna dia  mibaby ny sazy sahaza azy avokoa.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés