Webradio

FIKAMBANANA TANANA MADIO : Manomboka ny fanangonana fako sy fanadiovana an’Ambanja

Mitohy ny asa fanadiovana tanàna ataon’ny fikambanana antsoina hoe «  Association tanana madio  »  izay tarihin’i Sassan ao an-tampon-tanànan’Ambanja.  17 octobre 2019

«  Tsy mendrika ny tanànan’i Sambirano  ny milomano anatin’ny loto ary samy tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fanadiovana ny tanana sy famerenana ny lazan’ity farany  », hoy i Sassan. Tsy nisalasala araka izany ity farany nandray andraikitra mifanandrify azy amin’ny maha zanatany ny tenany. Manohana azy amin’ny asa fanadiovana ataon’ny fikambanana izay tarihiny ireo namana any dilambato anisan’izany ny any Brest.

Nanomboka tamin’ny herinandro teo ny asa fanadiovana ny  tanànan’Ambanja   ataon’izany fikambanana izany ary efa hita sahady ny vokany. Tsy vitsy ireo mpandraharaha any an-toerana resy lahatra amin’ny asa ataon’ity fikambanana ity ka tsy nisalasala nanohana ny ezaka ataon’ity farany. Nanomboka nanangona fako ny fikambanana tamin’ity herinandro ity ka anisan’izany ireo fako nivangongo nampiteny ny moana teny amin’ny lalam-pirenena faha 6  manakaiky ny Bazary Tsaramandroso.  Sarotiny amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Ambanja i Sassan  ka nahatonga azy nilatsa-kofidiana ho Ben’ny tanàna amin’ny fifidianana ho avy izao ary mitondra ny loko Ird.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés