Webradio

DRJS ATSINANANA : Vita tanteraka ny asa fanarenana ny biraon’ny tanora sy fanatanjahantena

Anisany fanamby nataon’ny talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena ny fanarenana ny biraon’ny Drjs Atsinanana izay eo amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina no misy azy. 17 octobre 2019

Isan’ny birao tsy mendrika maha biraom-panjakana azy amin’ny araben’ny fahaleovan-tena iny ny biraon’ny tanora sy fanatanjahantena atsinanana teo aloha. Ankehitriny dia tafarina izany birao fiasana izany ary mendrika ny maha biraom-panjakana azy.

Nijery ny birao nasiam-paneranana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena izay nandalo tao Toamasina ny alatsinainy lasa teo. Nanome tanana tamin’ny fanarenana ity biraon’ny DRJS ity ny seranan-tsambon’i Toamasina, orinasa SMMC, ary ny mpandraharaha Rakoto Jean Paul. 

Nisy ny fisaorana nataon’ny talen’ny DRJS Atsinanana ireo orinasa nifanampy taminy tamin’ny fanarenana ny birao izao, izay tao anatin’ny fotoana fohy no nanaovana izany asa izany.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés