Webradio

“CAMERAS DE SURVEILLANCE” ETO AN-DRENIVOHITRA : Miisa 20 ny hapetraka hatramin’ny faran’ny taona

Ho  fanamafisana hatrany  ny  fanatsarana  ny  lafiny  fandriam-pahalemana, hialana  amin’ny  fitohanan’ny  fifamoivoizana   eto  an-drenivohitra  dia anisany  tanteraka ny  vinan’ny  fitondram-panjakana   manoloana  ny  fametrahana ireo  fitaovana raitra  afaka hitsikilovana   ireo olon-dratsy   amin’ny  alalan’ny  fampiasana  ny fakan-tsarimihetsika na   “ Caméras de surveillance” amin’ny  toerana maromaro  eto  an-drenivohitra.  18 octobre 2019

Raha  ny  loharanom-baovao voaray  dia   manodidina ny  20 isa eo  no  hapetraka amin’ny   faritra maro  hatramin’ny  faran’ny  taona  2019  ity.   Ampasampito, Ampasika, Ambanidia, Analakely, Tsarasaotra no anisany  efa nametrahana  izany  raha toa ka  mbola  hahazo  ny  anjarany  ihany  koa   ny  eny   67 ha, Ankazomanga, Antanimena sy   ny  maro  hafa… 

Ny  tanjona  tratrarina amin’izany,  hoy ny  tompon’andraikitry ny  filaminana   eto  amintsika, dia ny  ady amin’ny tsy  fandriam-pahalemana hatrany. Eo  anatrehan’izay  indrindra  dia tokony  samy  ho  tompon’andraikitra  amin’ny  fanajana, fikoloana izany  ny  rehetra satria  fananana iombonana  mitondra soa ny  rehetra izany.   Azo  tsapain-tanana ary   mahavelom-bolo ny  mponina  hatreto  ny  efa fisitrahana sahady  ny  zava-bita satria misy  fiantraikany betsaka sady tsara  amin’ny  fiainana andavanandron’ny  mponina  ireo  fotodrafitrasa iombonana tahaka izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés