Webradio

FIKAROHANA ZAVATRA VERY AMIN’NY ODY GASY : Mampisavorovoro fiarahamonina ao Toamasina ny GPS gasy

Ny 4 septambra, misy olona milaza ho very moto no naka ireo mpanao «  gps gasy  ». Hazo entina mandehandeha lazaina fa mahita zavatra very. Niafara tao amin’ny tokotany iray tao Ankirihiry-Avaratra Toamasina parisela 11/58 ireo mpitondra ilay  gps gasy. Natao ny fisavana.Niala maina fa tsy hita tao ilay moto. 18 octobre 2019

Ny 14 septambra, mbola niverina indray sady niaraka tamina zandary.  Nolazaina indray fa ao amin’io tanàna io no milevina ny fitoeram-bola na «  coffre  » misy vola izay nisy nangalatra. Natao ny fisavana niala maina ihany koa. Nisy mihitsy moa ny fangadiana tanteraka ny tokotany fa niala maina hatrany. Ny alatsinainy lasa teo, tonga tao amin’ilay tanàna indray ny mpitandro filaminana avy tany Antananarivo nisava ny trano fa mbola niala maina hatrany.

Ho an’ireto fianakaviana ireto, dia fanakorontanana sy fandrebirebena saim-bahoaka io resaka “gps gasy” io, ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky. Ahiana hitarika fitsaram-bahoaka izy io sady lasa fanendrikendrehana tsotra izao. Nandritra ny fotoana nijanonan’ireo milaza ho mahay mikaroka zavatra very, dia efa feno olona teo anoloan’ilay tanàna.


TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés