Vehivavy vitsivitsy no naneho hevitra tao dia Anny Andrianaivonirina, Vero Andrianarisoa, Hanta Tsievanga ary Eliana Bezaza. Samy nizara ny lalana nizorany sy ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany izy ireo ary nanome ny heviny mikasika ny “leadership” sy ny fanabeazana olom-pirenena. Efa samy nandalo sehatra maro avokoa izy ireo ka ny zavatra hitany sy tsapany tamin’ izany no nambarany.
Ny an’i Eliana Bezaza moa dia ny nahatonga azy ho mpanao politika, ny fiheverany ny atao hoe demokrasia ary ny ady ataony ho an’ny vahoaka malagasy sy ny taranany.
Ny an’i Anny Andrianai-vonirina kosa dia ny lalana nodiaviny sy ny maha zava-dehibe ny fianarana hatrany izay tsy misy fetra. Ny an’i Vero Andrianarisoa kosa dia nanamafy fa tsy tokony hanenjika vola ny mpanao gazety satria asa masina io. Tsy tongatonga foana fa misy zavatra andrasana aminao, hoy hatrany izy.
Ataovy tsara foana ny asa atao, fa tsy misy valiny ratsy…. Nizara ihany koa ny naha mpanao fanatanjahan-tena matihanina azy satria tao amin’ny ekipam-pirenena volley ball izy tamin’ny taona 1989 ary nahazo ny medaly alimo tamin’ny Lalao afrikanina. Nanamafy moa izy fa tokony ho mafy orina sy tokam-po fa ahazoana vokatra foana io, ka na ratsy na tsy mandresy mihitsy ny klioba iray dia tsy tokony hiala mihitsy fa misy dingana tsy maintsy arahina vao tonga amin’ny tanjona iray. Ny an’i Hanta Tsievanga kosa dia naompany tamin’ny fiainam-pianakaviana sy araka asa.
Tsy tokony ho saropiaro ny vadin’ny mpanao gazety, hoy izy, satria mifandray amin’ny olona rehetra ny mpanao gazety ary matetika tsy tafody na miasa amin’ny andro tokony hiarahana amin’ny fianakaviana. Nambarany koa fa maha mpitarika voalohany ny maha renim-pianakaviana.
Na izany aza tsy voatery hitovy hevitra daholo ny rehetra, hoy i Anny Andrianaivonirina satria samy manana ny fomba fijeriny sy ny fomba fiainany fa ny zava-dehibe dia ny fahaizana mandrindra izany rehetra izany. Ny mampiavaka anay dia mahitsy fiteny, mandeha mahitsy sy ny fahatsorana ka azon’ny rehetra hatonina. Nahaliana ny tanora moa ny fifanankalozana izay nofaranan’i Jogéa talem-paritry ny mponina teo aloha fa ny leadership dia tsy fampiasana “pouvoir” fa ny ”autorité”… Atombohy ao an-tokantrano, hoy hatrany izy, ka rehefa manao tsia dia hazavao ny antony, fa rehefa azon’ny zanaka na ny olona tarihina iny dia hanaraka foana izy na tsy eo aminao intsony aza ny ‘pouvoir’.
Vanessa