Webradio

67HA : Tovolahy norobain’ny mpivaro-tena niarahany, miisa 2 ireo voasambotra

Lehilahy 24 taona sy tovovavy 18 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny alahady hifoha alatsinainy 21 oktobra 2019 lasa teo,   tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, noho ny resaka fanendahana.   22 octobre 2019

Araka ny  tatitra voarainay  avy  tamin’ny  Polisim-pirenena  dia lehilahy  iray  no niara-nisotrosotro tamin’ny namany maromaro tao amina toeram-pandihizana iray tetsy 67ha tamin’io alin ‘ny alahady io. Rehefa tokony ho tamin’ny 03 ora maraina dia nikasa handeha hody niaraka tamin’ny tovovavy mpivaro-tena  iray  izy. Nony teny an-dalana àry dia nifanena tamina lehilahy  miisa roa namany ilay tovovavy ary niangavy azy  roa lahy mba hanatitra azy ireo. 

Rehefa tonga tany amin’ny toerana maizimaizina anefa dia nodarohan’ireto mpanatitra roa lahy ilay tovolahy ka lasany tamin’izany ny firavaka teny aminy sy ny karapanondro. Mitentina  telo hetsy sy iray tapitrisa Ariary ny totalim-bidin’ny entana very. 

Lasa nandositra moa ilay tovovavy mpivaro-tena sy ireo mpanendaka namany roa lahy taorian’izay,  raha toa  ka niantso vonjy  kosa ilay voaendaka ary  tonga namonjy azy ny polisy. Nokarohina avy  hatrany ary  ireo olon-dratsy, ka fotoana fohy taty aoriana dia voasambotra ny tovolahy iray sy ilay mpivaro-tena. Mbola karohina kosa ilay lehilahy faharoa. Mbola tsy tafaverina amin’ny tompony ihany koa ireo entana very voalaza ireo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés