Webradio

FANATANJAHANTENA AN-TSEKOLY : Fahombiazana tanteraka ny andiany faha-27 natao tao Toamasina

Tontosa ny alahady 20 Oktobra 2019 lasa teo, ny lanonam-pamaranana ny fanatanjahantena an-tsekoly (Sport scolaire) andiany faha-27, izay nampitondraina ny anarana hoe «  Sorongôla  », natao tao amin’ny renivohitr’i Toamasina, faritra Atsinanana. 22 octobre 2019

Naharitra fito andro ny hetsika, tamin’ny  14 Oktobra 2019 no nanomboka ary nifarana tamin’ny alahady lasa teo.  Nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpianatra avy tamin’ireo faritra 23. Taranja ara-panatanjahantena maro, no natao tamin’izany, toy ny volley-ball sokajy zazavavy sy zazalahy,  ny taranja baolina kitra, izay nahitana sokajy zazavavy sy zazalahy ihany koa, ny  taranja atletisma sy ireo maro hafa.
Ny DRENETP Sofia Antsohihy, no handray ity lalao ity amin’ny taona 2020. 

Nandritra ny lanomam-pamaranana teo anoloan’ny Tranoben’ny Faritra atsinanana, no nanambaran’ny minisitra, fa fahombiazna tanteraka ny tamin’iny andiany faha-27 teo iny. Isany nisalahy tamin’izany ny teo anivon’ny fianakaviamben’ny minisitera tao Atsinanana, ny Fitondram-panjakana, izay notronin’ny vahoakan’i Toamasina. Tratra ny tanjona hoy izy. Nankahery ireo resy nandritra ny lalao ny minisitra Volahaingo Marie Thérèse, mba hanao bebe kokoa amin’ny taona manaraka. Nampirisika hatrany ireo naharesy koa ny tenany. Isany nanohana ity hetsika ity, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Orinasa sy Banky vitsivitsy ao an-toerana, izay nisaoran’ny minisitra.

“Tokony hotohizana hatrany…”

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireo Solombavambahoaka sy solontenam-panjakana tao an-toerana tonga nanotrona ity lanonam-pamaranana ny hetsika “Sorongôla” ity, no nilazan’izy ireo, fa heni-boninahitra ny renivohitr’i Toamasina. Nolazain’izy ireo koa, fa tokony hotohizana hatrany ny hetsika toy izao, hampirisihana ireo ankizy sy tanora mba tsy hirona amin-javatra hafa. Ny fanatanjahantena an-tsekoly mantsy, hoy izy ireo, dia mampitombo sy mampivelatra ny vatana sy fahalalan’ny ankizy, ary hampivelaran’izy ireo ny maha izy azy. Tsy nisy loza sy ny sampona nandritra ny lalao. Hananana vatana tomady sy saina salama, ny fanatanjahantena, hoy ireo Solombavambahoaka mirahalahy tonga nanatrika.  

Ireo nandrombaka ny amboara…

Tsiahivina moa fa  tamin’ny sabotsy lasa teo no natao ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra lahy sy vavy. Nahazo ny voalohany teo amin’ny sokajy zazavavy ny avy amin’ny DRENETP Analanjirofo, faharoa ny Diana, ary fahatelo i Boeny. Sokajy lehilahy indray dia ny DRENETP Atsinanana no nahazo ny amboara, faharoa i Boeny, ary fahatelo ny Atsimo Atsinanana. Teo amin’ny taranja Volley-ball zazavavy indray, norombahin’ny DRENETP Boeny ny amboara, faharoa ny avy any Anôsy, ary fahatelo ny solontenan’ Analamanga. Teo amin’ny sokajy zazalahy : ny DRENETP Atsinanana, faharoa Vakinankaratra, ary fahatelo ny ekipan’i Atsimo Andrefana. Lalao izay natao tao amin’ny ivon-toeram-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (CRJS).

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés