Webradio

FANAJANA NY ZON’NY MPAMORONA SY NY MPANAKANTO : Kapila hosoka miisa 29 220 nodorana

Mitohy hatrany  ny  ady  amin’ny  hosoka sy  fanaovana  tantely afa-drakotra ny  zon’ny  mpamorona sy  ny  mpanakanto karakarain’ny  eo anivon’ny  “ Brigade   anti-piratage” ka fantatra tamin’ny  loharanom-baovao  voaray  avy  amin’ny  tompon’andraikitra  misahana izany  fa   kapila CD sy  DVD hosoka  mahatratra  roapolo  sy  roanjato  sy  sivy arivo  sy  roa alina  (29 220) no  nodorana,  ny  alakamisy 17 oktobra  2019 lasa teo.  23 octobre 2019

Voalaza fa ny  telo volana fahatelon’ny  taona 2019 ireo  Cd hosoka no efa  nogiazana, taty aoriana izay  vao niroso tamin’ny  fandorana izany,  rehefa  vita  avokoa ny  fanadihadiana lalina. Notanterahina teo imason’ny  solon-tenan’ny  fampanoavana, ny  solon-tenan’ny “office Malagasy du  Droit d’Auteur (OMDA) ary  ny  solon-tenan’ny  fokontany  Morondava  Antehiroka  ny  fanapotehana izany  rehefa nahazahoana alalana   tamin’ny  Fitsarana.

Nomarihan’ny  tompon’andraikitra  hatrany   moa  tamin’io  fotoana io fa tsy  ny  cd hosoka irery  ihany  no  fandikan-dalàna  fa eo  ihany  koa ny  karaoke, ireo hotely  tsy  nahavita fifanarahana  tamin’ny  OMDA, ireo  mpampiditra  hira avy  amin’ny  solosaina, izay  tsy  manara-dalàna  akory. Koa nanao ny  fanentanana   izy  ireo  ho an’ireo mpisehatra  rehetra ao anatin’izany  mba hiditra amin’ny  ara-dalàna, ka mba hahafahana miala amin’ny  fanasaziana  izay  minia mbola mandika  ny  lalàna  mifehy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés