Webradio

ANJANAHARY - ASAN-JIOLAHY : Mpanendaka gaigilahy efa nifonja matetika voasambotra

 Nahazoana  loharanom-baovao  matetika  tato  ho  ato  ny   trangana  asan-jiolahy  eny  Anjanahary.   25 octobre 2019

Ireo mpody  hariva, na koa amin’ny andro  mazava manakaiky  ny mitatao vovonana iny no  tena  lasibatry ny fanendahana ny  mponina eny an-toerana, ankoatra ny vaky  trano  misesy  lany. Ny  vehivavy sendra mandeha irery  amin’ny  toerana mangina no  tena sahin’ireo  olon-dratsy. Araka ny  tatitra  voaray,  omaly, dia tovolahy  iray manodidina  ny 17 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro, ny 23 oktobra 2019 lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro, teny Anjanahary. 

Voalaza fa olona roa samy hafa no niharan’ny asa ratsin’ity tovolahy ity tamin’izany ary vehivavy avokoa izy ireo. Lasa tamin’izay  fotoana izay  ny finday sy ny volan’ny  iray  tamin’ireo vehivavy voaendaka. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo ka nidina teny an-toerana ny Polisy miasa ao amin’ny Csp3. Taorian’ny famotorana sy ny fanadihadiana dia  voasambotra  ilay tovolahy izay fantatra  fa nanatanteraka  izany asa ratsy izany.  Tao  anatin’ny  famotorana  no  nahalalana fa efa nifonja matetika noho ny  resaka  fanendahana hatrany  io lehilahy  io.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés