Webradio

MPIANDRY FONJA NIVAROTRA HEROINE : Hiakatra Fitsarana amin’ny 25 novambra ho avy izao

Mizotra  ara-dalàna ary  ahitam-bokany  hatrany ny  ady  amin’ny  zava-mahadomelina eto  an-drenivohitra. 25 octobre 2019

Manao  antso  avo eny  anivon’ny fiarahamonina  ihany  koa ny  mpitandro  filaminana  mba   hanome azy  ireo  loharanom-baovao raha sendra  ka  mahita tranga mampiahiahy. Hamafisina hatrany  mantsy  fa  ny  fiparitahana zava-mahadomelina no anisany  antony  mampahazo  vahana ny  tsy  fandriam-pahalemana any amin’ny  Fariatra maro  eto  Madagasikara. Tatitra  avy  amin’olona tsara sitrapo izao  no nahafantarana  ilay  lehilahy nivarotra “Heroine “ teny  Anosy. 

Voalaza rahateo koa fa  mpiandry  fonja eny  Tsiafahy  ity tovolahy  tratra ity, saingy izy  indray  no naiditra am-ponja noho ny  famarotana zava-mahadomelina.  Raha ny  tohin’ny  fanadihadiana  voaray  omaly  avy  eo anivon’ny  Polisim-pirenena dia  naiditra  am-ponja  vonjimaika ity farany   amin’izao fotoana izao ary amin’ny 25 novambra  ho avy  izao  kosa ny  fitsarana  azy. Raha  tsiahivina moa  ny  zava-nitranga  dia  ny alatsinainy 21 oktobra 2019  lasa teo tokony ho tamin’ny 12ora sy 30mn tetsy Anosy no  voasambotry ny  Polisy  misahana ny ady amin’ny  zava-mahadomelina ilay lehilahy. Raha vao naheno io vaovao io   ny Polisy dia nanao ny fanadihadiana ka natao ny vela-pandrika hisamborana azy. Nomena fotoana  teo  Anosy  izy  io ary vao tonga teo amin’ilay fotoana nifanomezana  dia tonga dia  noraisim-potsiny. 

 “Heroine” milanja 349 grama  no hita tany aminy nandritra ny fisavana. Niaiky ny heloka vitany  izy  ary nilaza  fa  roa alina sy  iray hetsy  ariary  ny  fivarotany  ny  1 grama.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés