Webradio

ASAN-JIOLAHY ENY 67 HA : Voajonon’ny polisy manao fanamiana sivily indray ny mpanendaka roa hafa

Lehilahy miisa roa ihany  koa no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP7 67ha, ny 23 oktobra 2019 lasa teo, teny 67ha iny, noho ny resaka fanendahana hatrany.  25 octobre 2019

Manohy ny ezaka ataony ny tompon’andraikitra eny an-toerana entina hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ka mampiasa paik’ady amin’ny fandefasana ireo Polisy manao fanamiana sivily.  

Nahitam-bokany  tokoa izany,  ka lehilahy miisa roa  no voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny.  Ny iray dia voasambotra teo amin’ny tetezan-dRamala, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro teo. Ny iray kosa dia tra-tehaky ny Polisin’ny  FIP teo anoloan’i Mada hotel 67ha teo am-pakana finday tao anaty poketran’ny vehivavy iray.  Mbola  tanora vao erotrerony  avokoa  moa ireto  farany,  izay  eo amin’ny 20 sy 29 taona eo avy  ny taonan’izy ireo. Mitohy  hatrany  ny  hetsika tanterahin’ny Polisy  eny  amin’ny  manodidina  ny  67ha iny  ankehitriny.

Tatiana R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés