Webradio

SAMBAVA : Vola sandoka 10 tapitrisa Ariary saron’ny Polisy, lehilahy miisa 3 voasambotra

Tsara hatrany ny manamarika fa melohin’ny lalàna asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanamboarana vola sandoka eto Madagasikara. 28 octobre 2019

Tsikaritra  mantsy fa efa hain’ireo olon-dratsy  tanteraka  ankehitriny ny manamboatra vola sandoka, efa raitra rahateo koa ny  fitaovana  ampiasaina. Fantatra tamin’ny angom-baovao voaray nisesisesy  tato ho ato fa  ny vola roa alina Ariary tokana no tena nahitana sandoka niparitaka tamin’ny  Faritra maro. Ankoatra ireo  vola tsy  tena izy sarona  teto an-drenivohitra dia nahatrarana izany ihany koa tao  Sambava.   Taorian’ny fihainoana ireo fitarainan’ny mponina sy ny fanamarinana ireo angom-baovao azo mahakasika ny fiparitahana vola sandoka iray alina Ariary tao an-tampon-tanànan’i Sambava dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy avy eo anivon’ny kaomisaria sambava, ka nanokatra fanadihadiana.

Nisy ny vela-pandrika izay nomanin’ireo Polisin’i Sambava. Tamin’izay  fotoana  izay no nahatratrarana ny roa tamin’ireo tompon’antoka amin’ity fanamboarana sy fanaparitahana vola sandoka ity ny andron’ny alarobia 23 oktobra 2019 teo tao amin’ny fokotanin’ Antaimby-Sambava. Nandritra ny famotorana izay natao no nahafantarana fa amidin’izy ireto iray alina Ariary ny vola sandoka roa alina Ariary, ary mbola nahitana vola sandoka mitentina 10 tapitrisa Ariary  ihany koa moa ireto roa lahy ireto nandritra ny fisavana ny entan’izy  ireo. 

Tsy nijanona hatreo ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana nisahana ny raharaha  fa mbola nitohy hatrany, hany  ka ny andron’ny alakamisy 24 oktobra 2019 teo dia tra-tehaka indray  koa ny naman’ireto roa lahy ireto tany amin’ny tanànan’ Antalaha, izay nahatratra ireo fitaovana sy kojakoja samihafa entin’izy ireto manamboatra ireo vola sandoka. Miezaka ny Polisin’ny eo anivon’ny kaomisarian’ny Sambava amin’izao fotoana  manohy  ny  fikarohana ireo vola sandoka efa niparitaka  tao an-tampon-tanàna sy ny manodidina. Karohina rahateo koa  ireo izay mety ho mpitsikombakomba hafa tamin’ity tranga ity.

Lehilahy iray niakatra fampanoavana amin’ny raharaha vola sandoka

Lehilahy iray nikasa hanakalo vola sandoka mitentina  roa tapitrisa Ariary no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ ny surêté urbaine d’Antananarivo ny zoma  25 oktobra maraina  lasa teo iny.  Raha ny loharanom-baovao voaray  dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny  Polisy tamin’olona tsara sitrapo no nahazoana loharanom-baovao ka nahafahan’ny Polisy nametraka vela-padrika . Avy hatrany  dia noraisim-potsiny teny amin’ny faritra 67ha ity lehilahy ity niaraka tamin’ny vola sandoka teny aminy izay  saika hatakalo.

Tamin’ny famotorana  lalina natao azy dia niaiky tokoa ny lehilahy fa azy ireo vola sandoka ireo ary saika hamidiny  iray  hetsy vola tena izy ny vola sandoka roa tapitrisa Ariary.  Araka ny fanazavany ihany dia fiara tsy mataho-dalana na 4x4  izay tsy tadidiny ny  laharana no namatsy azy ireo vola sandoka ireo ka mbola mitohy ny fikarohana ireo izay ahiana mety ho mpiray tsikombakomba taminy .  Ny  Sabotsy faran’ny  herinandro teo no natolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés