Webradio

RAHARAHA FAMONOANA POLISY TAO AMBODIHAZININA : Olona 2 misazy 5 taona, 15 afaka madiodio

Niakatra fitsarana tao Toamasina ny zoma 25 oktobra lasa teo ilay raharaha Ambodihazinina.  28 octobre 2019

Raharaha famonoana polisy telo lahy tao Ambodihazinina fokontany Mahatsara distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana, ny 24 oktobra 2018. Iray taona aty aoriana, vao vita ny fitsarana.

Raha tsiahivina, ny alatsinainy 3 desambra 2018 lasa teo dia olona 21 no nosamborina tamin’iny raharaha iny. Ny 19 tamim’ireo no niakatra fampanoavana tao Toamasina, ny alatsinainy 10 desambra 2018.

Ny 18 no no notanana vonjimaika am-ponja  tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Ny 2 amin’ireo izay vehivavy.

Nivoaka ny andron’ny zoma 25 oktobra io ihany ny didim-pitsarana momba izany. Ny iray nomen’ny fitsarana sazy mihatra 5 taona an-tranomaizina. Ity farany izay tompon’ilay trano nosavaina mahakasika raharaha lavanila izay niteraka vono olona mahatsiraiva. Nahazo sazy 5 taona ihany koa ny vadin’ilay tompon-trano. Tovolahy iray izay mbola tsy ampy taona no voasazy 30 volana. Ilay tovolahy izay voatifitry ny polisy iray teo amin’ny tongony mialoha ny nahafatesan’ilay polisy io misazy 30 volana io.

Ny 15 ambiny tamin’ireo 18 voarohirohy kosa no noafahan’ny fitsarana madiodio.
Nitondra fisaorana ho an’ny solombavambahoaka Mohamad Ahmad ( Amady Hely) solombavambahoakan’i  Fenoarivo-Atsinanana ireto mponina ao Ambodihaiznina ireto. Nanambara mantsy izy reo fa na dia tany am-ponja aza izy ireo dia tsy nanadino azy ireo ity solombavambahoaka ity. Naka mpisolovava niaro azy ireo sy nanampy tamin’ny lafiny maro.

 TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés