Webradio

MAROANTSETRA : Mpandeha sambo miisa 02 nahatrarana vola sandoka mitentina 180 000 Ariary

Misesisesy ny  fahatrarana  vola sandoka  any amin’ny  Faritra maro,  tamin’ny  faran’ny  herinandro  lasa teo iny. 29 octobre 2019

Ankoatra ny teto an-drenivohitra  sy  ny  tao Sambava dia nahazoana loharanom-baovao mahakasika izany  ihany  koa ny tao  Maroantsetra,  Faritra Analanjirofo iny.  Loharanom-baovao  voaray avy  amin’olona tsara sitra-po hatrany   no nahafantarana fa  misy  vola sandoka miparitaka ao  an-tanàna. Avy  hatrany  dia  nidina ifotony  ny  Zandary  tao an-toerana nijery  ny  raharaha.  

Nandritra ny fanadihadiana mahakasika  izany dia  fantatra  fa misy olona roa mampiahiahy nandeha tany Toamasina nandray sambo.  Tonga dia nampandrenesina  haingana ny  tao amin’ny  Borigady  ao amin’ny  seranan-tsambo  tao  Toamasina  ka nanao ny fisavana teo am-pahatongavan’ny sambo. Vokany, olona roa no nahatratrarana vola sandoka roa alina Ariary  miisa 09.  Ao anatin’ny  famotorana lalina tanteraka  ny  zandarimaria ao an-toerana  amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés