Webradio

TAMBAJOTRAN-JIOLAHY : Maty voatifitra teny Mausolée i Kôma lehiben’ny jiolahy

Taorian’ireo 9 lahy namany voasambotra, ny faran’ny herinandro teo, dia lavon’ny BC4 teny Mausolée koa i Kôma izay tena lehibe mpitarika  amin’ity fikambanan-jiolahy ity,  araka ny  tatitra voaray  avy  amin’ny  Polisim-pirenena omaly.  29 octobre 2019

Raha tsiahivina, ny faran’ny herinandro teo dia lehilahy miisa 09 no  ravan’ny Polisy avy eo anivon’ny sampana ady heloka bevava sakelika faha-4. Anisany tompon’antoka amin’ny vaky trano, fanafihana mitam-piadiana, asa fanendahana izay matetika miafara hatramin’ny vono olona mihitsy ireto sivy lahy ireto,  eto an-drenivohitra sy  ny  manodidina.  Ohatra amin’izany  ny  tranga  tamin’ny  ny volana  septambra lasa teo rehefa novelesin’ireto jiolahy ireto tamin’ny «  bois rond  » ny raim-pianakaviana iray sy ny vadiny mpivarotra anana teny Tsiadana, ka namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana raha toa kosa ka tapaka ny tanan’ilay renim-pianakaviana.

Nahatrarana rongony 13 kg

Tamin’ny  fotoana  nahatraran’ny  Polisy  BC4 azy  09 lahy ireo dia fantatra ihany  koa fa mbola nahatratrarana rongony amin’ny gony maro izay efa voafantina sy voafono  milanja 13 kilao  ireto farany. Tsy nijanona hatreo anefa ity raharaha ity satria dia fantatra fa mbola miriaria any ny sasany amin’izy ireo ary anisan’izany ny raindahiny izay fantatra amin’ny anarana hoe «  Kôma  », ka rehefa nanohy ny fikarohana ny BC4 dia naharay angom-baovao mahakasika ity jiolahy sy ny namany roa hafa, izay tazana nihaodihaody teny amin’ny faritra Mausolée sy Ankatso. Napetraka ny vela-pandrika ka rehefa niroso tamin’ny fisamborana ny avy amin’ny Polisin’ny BC4 dia nitifitra avy hatrany ireto jiolahy, ka tsy maintsy niroso tamin’ny fampiasan-kery koa ny Polisy teny an-toerana. Vokany,  namoy  ny  ainy  nandritra ny fifampitifirana i «  Kôma  » raha toa kosa ka tafaporitsaka ny namany roa lahy hafa. Mbola tratra teny aminy ny basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala ary ihany koa ny antsy lava lela iray izay fanaovany ny asa ratsiny.

Efa voafonja ireo naman’i Kôma

 Ny angom-baovao azo sy ny fanadihadiana no nahafantarana, fa i Kôma dia naman’i Tsôla izay efa eny Tsiafahy amin’izao fotoana izao rehefa voasambotry ny BC4 ihany koa, izay raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra. Iny faritra Tsiadana, Mausolée sy ny manodidina iny no tena nahalalana an’i Kôma, izy no anisany tompon’antoka tamin’ny fanendahana ny mpianatra miditra vao maraina eny Ankatso ary hatramin’ny vono olona izay niseho teny amin’iny faritra iny dia voatonona hatrany ny anaran’i Kôma sy ny namany iray izay antsoina hoe «  Belônne  » (efa voasambotry ny CSP2 Ambohijatovo ary efa any Tsiafahy), ary farany dia fantatra ihany koa fa anisany nandray anjara tamin’ny fanafihana ny «  Super-maki  » Antsahameva izy. Mitohy  ny  fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy  mbola tafatsoaka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés