Webradio

MAHATSINJO AO MAROVOAY : Vaky ny fasana, taolam-balo miisa 12 very

Nahitana  trangana  vaky  fasana  tao amin’ny  fokontany  Mahatsinjo, Kaominiana Marovoay,  Faritra  Boeny,  ny  sabotsy  26 oktobra  lasa teo.  29 octobre 2019

Araka ny angom-baovao  voaray dia  ny olona tsara sitra-po teo amin’ny  manodidina  nahita ny  fasana  nivoha  no  nampandre haingana  ny Zandary tao  amin’ny  Borigady Marovoay. 

Avy  hatrany  dia nidina  ifotony  ny  tompon’andraikitra rehetra teo an-toerana nijery  ny  zava-nitranga. Hita  tamin’izany  fa  taolambalo  miisa 12  no  tsy  hita tao. Misokatra amin’izao  fotoana  izao ny   famotorana,   ary  efa misy  ihany  koa ny olona  noahiahiana ho  nanatanteraka izany  ka notanana  sy alaina am-bavany  ao  amin’ny   tobin’ny Zandary misahana ny  raharaha hatreto. Miandry   fatratra ny  valin’ny  fanadihadiana lalina moa ny  fianakaviana  sy ny fokonolona manoloana izao vaky  fasana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés