Webradio

FIATREHANA NY FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA : Efa tonga ny ampaham-pitaovana natonta tatsy Afrika Atsimo

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna. Efa tonga eto Madagasikara tamin’ny alahady maraina lasa teo ny ampahany voalohany amin’ireo antontan-taratasy sy fitaovana natonta tatsy Afrika Atsimo,  hampiasaina mandritra ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna, ny 27 novambra 2019 ho avy izao. 29 octobre 2019

Valopy lehibe sy  fitanana an-tsoratra ny latsa-bato (PV) ihany moa no natonta tao Afrika Atsimo fa ny bileta tokana kosa dia ny trano printy nasionaly no niandraikitra azy.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Céni) dia ny tetikasa SACEM (Soutien au Cycle Electoral de Madagascar) niaraka tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD), Vondrona Eorôpeanina, Norvezy, USAID, Alemana, Afrika Atsimo, Lafrantsa, Angletera, Korea Atsimo, Soisa ary Aostralia no namatsy vola ny fanontana printy, ny famonosana ary ny  fitaterana ireo fitaovana ireo tatsy Afrika Atsimo. Ny governemanta malagasy kosa no manamora ny fanomezana alalana ny fahatongavan’izany. 

Hatoby amin’ny toerana iray voaaro tanteraka ireto fitaovana vao tonga ireto, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Céni ary hisy koa ny fanaraha-maso hentitra atao amin’izany. Aorian’ny fahatongavan’ny andiany faharoa kosa vao hotaterina eny anivon’ny Faritra sy distrika ary kaominina misy biraom-pifidianana ny fitaovana rehetra.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés