Webradio

ISOTRY : Sinoa naratra mafy teo amin’ny lohany, voaroban’ny jiolahy ny volabe teny aminy

 Hatramin’ireo teratany  vahiny eto an-drenivohitra dia  lasibatry ny asan-jiolahy raha sendra ka mandeha  an-tongotra amin’ireo faritra mamaivay. 4 novembre 2019

Teratany sinoa iray mpivarotra bidao mavo eny Isotry indray no notafihin’ireo jiolahy mirongo fiadina tamin’ny alalan’ny basy tsy mipoaka mafy ireny  ny sabotsy 02 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro. Naratra mafy moa ity teratany sinoa ity tamin’izay fotoana izay ary lasan’ireo jiolahy nitsoaka  avokoa ny volabe tany anaty kitapony.

Nifamonjen’ireo  mpiantsena teo amin’ny manodidina ity farany ka noentina teny amin’ny toeram-pitsaboana alohan’ny handraisan’ireo polisy  ny  famotorana ny  zava-nitranga.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés