Webradio

FIFIDIANANA : Hampandany ny kandida Naina Andriantsitohaina ny depiote Rossy

Olona mitovy fijery amin’ny Filoham-pirenena no ilain’ny tanànan’Antananarivo. 4 novembre 2019

 Tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto an-drenivohitra Madagasikara  raha sanatria ka mifanohitra amin’izany ny zava-hiseho. Mangetaheta fiovana ny vahoaka ary Antananarivo mamiratra sy mandroso no ilainy.  

Mitaky olom-baovao sy madio tsy mitondra «  casserole  » ny renivohitry Madagasikara mba hahafahana mamerina indray ny lazan’ity farany. Izany rehetra izany no naharesy lahatra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy sy ny kandida ho mpanolotsain’ny tanàna Raharinirina Clémence ary fikambanana maro ao amin’ny Boriborintany faha IV hampandany ny kandida laharana fahefatra Andriantsitohaina Naina.


Tao amin’ny kianjan’ny Kanto no nanaovan’ireto fanambaràna, ny sabotsy teo. «  Hanao izay hahalany an’ Andriantsitohaina Naina ho Ben’ny tanàna izay miray saina sy mitovy vina amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izahay  », hoy i Rossy.
                                                                  

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés