Webradio

“SOCIETE HITA” : Nanolotra fitaovam-pianarana 5300 baoritra tao amin’ny cisco Toamasina

 Ho fitsinjovana ireo  Ray aman-dreny  amin’izao  fidiran’ny mpianatra izao  dia nitondra ny  anjara birikiny  amin’ny  fanampiana  ireo  zaza mianatra eny  amin’ny  sekolim-panjakana  EPP tao an-tampon-tanànan’i  Toamasina, omaly  04 Novambra  2019 ny  “société HITA “  izay  orinasa goavana mpanamboatra menaka.  6 novembre 2019

Isany  mampandroso ny  Firenena iray  ny  fijerevana manokana ny  lafin’ny  fampianarana  ary izany ihany  koa no nahatonga ity  orinasa ity   vonona nanome ireo fitaovam-pianarana maro be. Betsaka araka izany  ireo  efa nisitraka tombontsoa nomen’ity  orinasa mpanao  menaka ity  ary  mbola hisitraka ihany koa  ka  fitaovampianarana  miisa “ 5300” baoritra no natolotra  ny tao  amin’ny  Cisco  Toamasina  izay  nahitana  kitapo, solaitra, kahie, penisilihazo, sy  ireo  fitaovana ilain’ny  mpianatra maro samihafa… 

Nohamafisin’ity orinasa ity hatrany moa nandritra  ny  fizarana  ireo fitaovana ireo  fa  ny  “fampandrosoana ny  lafin’ny fampianarana  ho an’ny  zaza Malagasy  no  tanjon’izy  ireo  manoloana  ny fanomezana fanampiana tahaka izao ».

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés